Tantara mikasika ny Foko sy Fiaviana tamin'ny Jona, 2014
Ahoana Ny Amin'ireo Maherifo Tsy Fantatra Any Bermuda?
Mankalaza ny Androm-pirenen'ireo Maherifo i Bermuda ny 16 Jona, saingy miady hevitra mikasika ny mety hanatsarana ny fomba fankalazana izany ny mpitoraka bilaogy noho ny tsy fisian'ny olona tsarovana manokana tamin'ity taona ity.
Ny Fiankohofana Amin'Olo-malaza Mpanao Politika Ao Trinite sy Tobago
Leo ny adihevitra politika ao Trinite sy Tobago, kapotsaka toy ny trondro ao anaty fotaka, ny mpitoraka bilaogy iray momba ny politika, nandroso hevitra hoe tokony hangatahan'ny vahoaka mpifidy mba hiresaka mikasika toe-javatra misy ireo mpanao politika.
Miantso Anao Hamàrana Ny Fitsaratsaram-poana Miendrika Fanavahana Any Anaty Media ity Manampahaizana Santomeana ity
I Grada Kilomba, manam-pahaizana manokana ny amin'ny fandalinana ny resaka fiaviana ao amin'ny Oniversiten'i Humboldt , any Berlin, miresaka ny hoe ahoana ny tokony hataon'ireo haino aman-jery izay manampy amin'ny fanamafisana ny hevitra raiki-tampisaka momba ny fiaviana, mba hanamboarany indray doko amin'ny lafiny tsara.
Inona no Malaza Amin'ny Aterineto Ao Okraina Atsinanana

Manohy amin'ny fampiasana ny tambajotran-tserasera ireo milisy roa mifanandrina ho fampitàna ny fizotran'ny hetsika (fanentanana) ara-miaramila ataon-dry zareo
Mampiasa Twitter ito Breziliana ito Mba Hanehoana Ny Fahasiahana Sy Ny Fanavakavahana Ataon'ny Mpampiasa An'ireo Mpiasa An-Tranony
Asehon'ny kaonty A Minha Empregada (Ny mpiasa an-tranoko), amin'ny alalan'ny hafatra fohy miisa 111 ny zavatra ratsy amin'ny lafiny ara-tsosialy atao amin'ny hafa, ny fanavakavahana ary ny tsy fahaizana manakatra ny fihetseham-pon'ny hafa miseho eo amin'ny fiarahamonina Breziliana, indrindra ny toetra manoloana ireo mpiasa an-trano izany.