Tantara mikasika ny Foko sy Fiaviana tamin'ny Mey, 2018
Kamerona: Fanehoankevitra Tamin'ilay Fifidianana An'i Obama
"4 taona lasa izay, tsy fantatr'izao tontolo izao i Obama, nandrasa ny anarany tamin'ireo mpanao gazety, ankehitriny lasa filohan'ny firenena matanjaka indrindra erantany izy. Ity fifidianana ity, ity fiakarana haingana dia haingana ity dia manaitra antsika zanak'i Afrika, satria na eo aza ny fijaliana sy ny tsy fananana asa iainantsika, mila mitazona ity ''fahasahiana manantena'' ity toa an'i Barack isika.''
Famehezana ny Tontolon'ny Blaogy Poloney
"Fandresena kely, sy tsy maharitra ho an'ireo 'mpikatroka amin'ny 'click'' anefa raha araka ny Poland IP, izany no porofo toy ny fomba ara-drariny hanehoana hevitra sy hikarakarana ny fanoheran'ny vahoaka no fahitàn'ny vondrona mpitsikera ao Polonina ny aterineto."
Afrika Atsimo: Mahita marimaritra iraisana ao anatin'ny “ady ara-pirazanana”
Tsy daltoniana tokoa ny Afrikana Tatsimo. Ny efa-polo taonan'ny apartheid no niantoka fa raiki-tapisaka ao am-po sy ny sain'ny olom-pirenena maro ao Mzansi (araka ny ahafantarana ny firenena ao an-toerana) ny hevitra momba ny firazanana. Ny fiandohan'ny demokrasia tamin'ny taona 1994 no niteraka fanantenana ho an'ny fiarahamonina mitovy.
Martinika : Ireo Andriana Farany Tao Amin'ireo Nosy
...hetsika nateraky ny fisaintsainana manodidina ny ampihimamba ara-toekarena ataon'ny fianakaviana vitsivitsy...Tsy maintsy iomanantsika koa ny fikisahan'io ho amin'ny resaka fanavakavahana volonkoditra sy fankahalàna vahiny izay mazava ho azy fa ho lavina ny filazàna azy amin'izany fomba fiantso izany, samy mahafantatra isika rehetra fa mandeha zotra tokana ny fanavakavahana volonkoditra sy fankahalàna vahiny, sa tsy izany ?
Manorina Fandriampahalemana Amin'ny Alalan'ny Aterineto
Nanangana tetikasa iray vaovao amin'ny tambajotra, natokana ho an'ireo tanora (DOTCOM) ny birao misahana ny Fanabeazana sy ireo Raharaha Ara-kolontsaina ao Etazonia an'i Amerika mba hialàna ami'ireo fitsaràna an-tendrony a sy ireo fahatsapàna nifanipaka.
Valopolo taona taty aoriana, mbola mifampitsara an-tendrony ny Jordaniana sy ny Palestiniana
Raha niteraka fahatsapana fandriampahalemana eo amin'ny vahoaka roa tonta ny fiaraha-miaina nandritra ny fotoana, dia tsy mbola misy ny firindrana tanteraka. Ny fanambadiana sy ny fanatanjahan-tena no roa amin'ireo sehatra izay mbola ahafahantsika mahita mazava kokoa ireo fihenjanana.
Madagasikara: Manome Aina Indray Ny Nofinofy Amerikana i Obama
Tsy isalasalàna fa tena lavitra an'i Etazonia i Madagasikara saingy maha-romotra ao koa ny tazom-pifidianana. Saintsainin'ireo blaogera malagasy sasantsasany ny antony anarahan'izy ireo am-pahalinana ny fifidianana amerikana ary ny hoe midika inona ho azy ireo ny filoha Obama.
Mamirapiratra Any Frantsa Ny Hatsaràna Maroakanina Nefa “Fihemorana” No Iantsoan'ireo Maroakana Mpitoraka Bilaogy Izany
Mahagaga izany, mitombo hatrany ireo maraokana mpitoraka bilaogy no miala amin'ny fitorahana bilaogy ! ary raha asehon'ilay mpiangaly zaitra sady mpamorona didy akanjo amim-pireharehana ny maha-izy azy amin'ny famadihana ilay 'caftan' ho ....... tsara tarehy ....
Armenia – Azerbaidjana : Tanora Bilaogera Mamita Iraka Hameno ny Hantsana Jeopolitika
Tiako ny mifandray aminà olona samihafa. Isan'ny antony fototra nisoratako amin'ity tetikasa ity, dia ny hahita namana betsaka ato aho, ary mba hianatra lalindalina kokoa ny tsiambaratelon'ny media. Tia mamaky lahatsoratra momba ny kolontsain'ny firenena hafa aho. Mino aho fa hahay zavatra betsaka avy amin'ity tetikasa ity.
Libanona : Fiarahamonina Sy Fifanoherana
Misy karazana fo samihafa: vita amin'ny vy, vita amin'ny fingotra, vita amin'ny kristaly. Iza amin'ireo no tianao hanànana ?