Tantara mikasika ny Foko sy Fiaviana tamin'ny Aogositra, 2015
Siansa-Famisavisana Shinoa Nandrombaka ny Loka Hugo Tantara Foronona Tsara Indrindra
"Eny fa na dia amin'ny siansa-famisavisana mampiahiahy an'i Liu Cixin aza, raha apetraka eo ankilany ny taletany ara-haisoratra, dia mbola misongona lavitra dia lavitra ireo Shinoa mpanoratra siansa-famisavisana indray mihira aminy ny fahaizany maka an-tsary an-tsaina."
Any Malezia, Mandeha An-Tsekoly Ao Anatin'ny Tahotra Ireo Ankizy Mpitsoa-ponenana Myanmar
Mampiseho ny zavatra atrehan'ny vondrom-piarahamonina mpitsoa-ponenana Myanmar any Malezia, ilay tetikasa lahatsary fanadihadiana.
Nahazo Aina Vaovao Indray Ilay Afisim-pizahantany Mametraka An'i Jamaika Ao Anaty Sarintany
Nahasarika olona maro indray ilay azo lazaina fa angamba afisim-pizahantany malaza indrindra manerantany noho ny fanatontosana iray nataon'ilay Amerikana mpiangaly mozika Alicia Keys.
Te-Hahita Ny Tanàna Afrikàna Afaka Voalohany Tao Amerika Ve? Mandehàna Ao Meksika
Amin-pireharehana no izaràn'ireo Afro-Meksikàna ny tantaran'i “El Yanga,” izay toa printsy nandevozina avy amin'ny foko Yang-Bara any Gabon, nanampy ireo andevo ho afaka teo ambanin'ny Espaniola tany amin'ny manodidina ny 1570 tany.
Toy Izao Ny Fandrenesan'Ny Olona Ny Hiran'i Michael Jackson Amin'ny Fiteny Quechua
Tao amin'ny YouTube, efa maherin'ny atsasaky ny iray tapitrisa no njìijerena ny hiran'i Michael Jackson "The Way You Make Me Feel" izay nindramin'i Renata Flores Rivera, zazavavy 14 taona ary teratany Peroviana, nohiraina tamin'ny fiteniny.
Mahazo Fitiavana Maro Avy Any India Ny Filoha Tale Jeneralin'ny Google, Sundar Pichai
Namorona orinasa lehibe, Alphabet i Google, ary Filoha Tale Jeneraly vaovao ho an'i Google, Sundar Pichai. Niarahaba ny fitantanana vaovaon'i Pichai, tamin'ny fiarahabana, hainteny ary hanihany, ireo Indiana mpampiasa media sosialy.
Trinidad & Tobago : Vondrom-Piarahamonina Shinoa Valaky Ny Hevi-Diso Amin'ny Fanavakavahana Foko
Miparitaka be ilay lahatsary eo am-pamolosana alika ( heverina ho tany aminà trano fisakafoanana Shinoa iray ). Haingana ny tsikeran'ny Minisitry ny Fahasalamana. Manandrana mamerina ny Minisitra amin'ny tokony hataony amin'ny famaliana izany amin'ny aterineto ny vondrom-piarahamonina Shinoa any an-toerana.
Mamoaka Gazety Amin'ny Fiteny Maya Ny Gazety An-tsoratra Meksikana
Maya no faharoa amin'ireo fiteny teratany manan-danja indrindra ao Meksika, tenenin'ny olona miisa eo amin'ny 800.000 eo.