Tantara mikasika ny Foko sy Fiaviana tamin'ny Oktobra, 2009
Etazonia: Mpifankatia tsy mitovy fihodirana tsy nahazo nisora-panambadiana
Tamin'ny herinandro, tany Hammond, any Louisiana, Beth Humphrey (fotsy hoditra) sy Terence McKay (mainty hoditra) dia nangataka fisoratam-panambadiana ary nolavina noho ny tsy fitovian'ny fihodiran'izy ireo. Ny Mpitsara misahana ny fandriampahalemana, Keith Bardwell, dia nanambara fa araka ny efa hitany dia “tsy maharitra ny fanambadiana eo amin'ny olon-droa tsy mitovyfihodirana” ary nolazainy fa “ho an'ireo taranaka no nanaovany izany.”
Isiraely: “fanavakavahana tsotsotra” amin'ny fitateram-baovao
Eo ho eo amin'ny 20%-n'ny mponina, ireo Palestiniana mizaka ny zom-pirenena Isiraeliana (antsoina ihany koa hoe Arabo Isiraeliana) no milaza fa voavakavaka amin'ny sehatra maro eo amin'ny andaanandrom-piainana. Nanery am-panahy...