Tantara mikasika ny Foko sy Fiaviana tamin'ny Jolay, 2011
Serbia: Fanehoan-kevitra Voalohany Momba Ny Fanafahana Madiodio An'i Sandor Kepiro
Ny Alatsinainy 18 Jolay 2011, nafahan'ny fitsarana iray ao Bodapesta i Sandor Kepiro, kapitenin'ny polisy Hôngroa tamin'ny ady lehibe faharoa izay nanao raharaha miaramila tany Serbia teo ambany fibodoana sy, izay tsy voa ela akory, “anisan'ny Nazy nokarohina fatratra.” Nampangaina ho nanao heloka bevava tamin'ireo Serba, Jiosy ary Romana nandritra...
Tiorka: Niampisahotaka Ny Valantserasera Ny Horakora-panoherana ilay Mpanankato Kiorda
Aynur Doğan, mpanankato Kiorda-Tiorka, no nohorakorahan'ny ampahany tamin'ireo mpijery nandritra ilay fampisehoana ankalamanjana Istanbul Jazz Festival satria nanao hira tamin'ny teny Kiorda izy. Niredona ny hiram-pirenena Tiorka ny sasany tamin'ireo mpijery ho fanoherana ny zava-miseho, raha toa ka nanohana ilay mpihira kosa ny mpijery hafa. Nony farany dia niala teo ambonin'ny lampihazo...
Bolivia: Mpiady Mpiangaly Cholitas Eny Alohan'ny Sehatra
Nahasarika ny sain'ny teratany sy ny mpitsidika efa ho am-polotaonany izao ny tolom-behivavy (catch) ao El Alto, Bolivia. Nampian'ireto vehivavy ireto zavatra kely avy amin'ny nentin-drazan-dry zareo ity lalao malaza ity: taiza koa no nahitanao zipo lava mirenty miaraka amin'ny atin'akanjo, fehin-tenda misy volombolony, volo matevina sy satroka bozaka entina...
Lahatsary: Tortillas, Chapatis, Mofo Sy Maro Hafa Manerana Izao Tontolo Izao
Betsaka amin'ireo kolontsaina no mampiaraka ny sakafony amin-javatra vita avy amin'ny voamaina; mofo, biskoitra sy karaza-mofo nahandroina tamin'ny entona no tena isan'ny sakafon'ny olna amin'ny toerana maro manerana izao tontolo izao. Androany isika dia hitsidika mpiangaly sy mpahandro mba hijery ny fomba fikarakaran-dry zareo sy fanaovany ny sakafo fanomeny ny...
Pero: Niverina ny Fandriampahalemana ao Puno Taorian'ny Fifanarahana
Tamin'ny alalan'ny fampihàrana ilay fifanarahana vaovao narafitra farany, dia niverina tsikelikely ny fandriam-pahalemana tao amin'ny faritr'i Puno, ao amin'ny faritra atsimon'ny Andes Peroviana, taorian'ny fifandirana sy ny korontana ara-tsosialy faramparany teo (izay samy mifandray amin'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany[es] avokoa), izay niafara tamin'ny fahafatesan'olona enina, maherin'ny 30 no naratra ary...
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...