Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Avrily, 2018

Tantara mikasika ny Foko sy Fiaviana tamin'ny Avrily, 2018

30 Avrily 2018

Mpanolotsaina monisipaly sady mpitarika amin'ny fiarovana ny zon'olombelona novonoina tao afovoan-tanànan'i Rio de Janeiro

Nofidin'ny Antoko Sosialista sy Fahalalahana (PSOL) amin'ny maha-mpanolotsaina fahadimy be mpifidy indrindra ao Rio de Janeiro i Marielle Franco tamin'ny 2016, renivohitra faharoan'i Brezila ary misy mponina maherin'ny enina tapitrisa. Azo heverina ho famonoana ivelan'ny fitsarana ny famonoana azy.

Rosia: Ny Fomba Fandraisana ireo Zeorziana

Ratsy avokoa ny ankamaroan'ireo vaovao. Toa lasa mivadika resa-pôlitika hatramin'ny fanatanjahantena koa. Azon'i Anna Chakvetadze ao amin'ny foko Zeorziana ny 'Tompondakan'i Kremlin' amin'ny fifaninanana tennis, hoy ny voasoratr'i Sukhumi - manoloanà vahoaka mihiaka eso hoe ''Mandehàna any Zeorzia ry Zeorziana!''

29 Avrily 2018

Nahoana ireo mpanao fivahiniana masina avy any India sy Nepal no mirohotra hijery tsipelana (Orkidé) mamelana amin'ny volana Aprily

Araka ny angano sy ny fomban-drazana ao an-toerana, toerana ho an'ny Andron'ny taombaovao Nepaley ny zaridaina Salahesh Fulbari ao atsinanan'i Nepal .

28 Avrily 2018

Fijoroana Kiorda: Fanavaozam-baovao telo herinandro

Ao anatin'izao vanim-potoana "iadiana amin'ny fampihorohoroana" izao, niseho imbetsaka tamin'ny efijerin'ny fahitalavitra ny voambolana fampihorohoroana. Imbetsaka ny hetsika "fampihorohoroana" no entina iadiana amin'ny "fampihorohoroana". Matetika ny governemanta no mivadika ho andrimpanjakana tsirefesimandidy sy mpamoritra, rehefa hiady amin'ny fampihorohoroana.

26 Avrily 2018

Diaspora Afrikana: Fotoan-tsarotra ho an'ireo Afrikana any Frantsa sy Belzika

"I Frantsa, Atoa Sarkozy, dia sady tsy makorelina voatery manainga ny feny amin'ny andro mosary, na fiangonana hanaikena ny fahotana rehetra rehefa miteny 'amen' na koa firenena fehezin'ny fitsipika miafina sy mampiahiahy"

23 Avrily 2018

Kazakstàna: Fihenjanana Ara-poko sy Fanamaivanana ny Maha Izy Azy

Firenena iray matetika mihambo ho mandefitra ny firaisam-poko sy ny fahasamihafan'ny finoana i Kazakstàna. Tsy ny rehetra anefa no mieritreritra fa endrik'i Kazakstàna maoderina io, satria miseho eny amin'ny fiainana andavanandro ny fihenjanana madinika eo amin'ny foko ary manjaka ao anatin'ny rafi-panjakana ny teratany Kazaka.

22 Avrily 2018

Etazonia: Guantanamo An-Tanindrazana

Nivadika ho nofiratsy ho an'ireo mpifindramonina an'arivony manana taratasy sy tsy manan-taratasy ara-dalàna ao Etazonia ny nofinofy Amerikana, satria nampidirina am-ponja mandritra ny volana sy taona maromaro ao amin'ny tranom-pihazonana mpifindra-monina manerana ny firenena izy ireo, miandry ny fitsarana sy ny fandroahana azy ireo

20 Avrily 2018

Kazakhstan: Mahita ny “fanafihan'i Shina tsy misy fitaovam-piadiana” ny bilaogera

Somary hita matetika ao amin'ny bilaogy amin'ny teny Kazakh ny lahatsoratra momba ny lohahevitra mifandraika amin'i Shina. Ireto ny sasany amin'izy ireo.

19 Avrily 2018

Miteraka Fandraràna ny 3G Ao Kambodza Ny Fahatahorana Sary Vetaveta

Nitarika ny fangatahan'ireo vadinà tomponandraiki-panjakana hanao fanangonan-tsonia hanakanana ny teknolojia vaovao 3G ny tahotra ny fiparitahan'ny sary vetaveta manerana ny finday azo hijerena lahatsary.

17 Avrily 2018

Paragoay: Mampiely ny teny Guaraní amin'ny alalan'ny bilaogy

Any Paragoay, izay afaka miditra aterineto ny 3% -n'ny mponina ary 88%n'ny mponina no mampiasa ny fiteny indizeny ao Guaraní, fitem-pirenena ofisialy ihany koa, nahita fahafahana iray tsy mbola nisy nanao i Mirta Martínez, mpanao gazety sady mpampianatra Guaraní, izy no lasa bilaogera voalohany sady tokana manoratra amin'ny teny Guarani