Goadelopy : Kwanzaa, Zava-baovao Amin'ny Fetin'ny Faran'ny Taona

(Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra taona 2008 ny lahatsoratra amin'ny teny Anglisy)

Ankoatra ny fankalazana ny Krismasy nentim-paharazana, namorona zava-baovao, Kwanzaa, vao haingana i Goadelopy, izay manomboka ny 26 Desambra ary mifarana ny 1 Janoary.

Miha mahaliana ity fankalazana vaovao ity satria ampahany manan-danja amin'ny lova ara-kolontsaina ao Goadelopy, izay nosy katolika ara-tantara, ny Krismasy ary maro ny olona manamarika ny fotoana, na dia tsy mpivavaka aza. Ahoana àry no hanazavana ny fampidirana ny fankalazana ny Kwanzaa ao anatin'ny fetin'ny faran'ny taona? Shaka Zulu ao amin'ny Gwafakwika mamaly ny fanontaniana hoe inona ny “Kwanzaa?” [amin'ny teny kreôla]:

Ka sa yé ankò Kwanzaa? On mak fabrik? Awa sé sélébrasyon kiltirèl a tout nèg a si latè. E sé osi sélébrasyon a tout kominoté é tout fanmi nèg. Ki moun ki kréyé sa? Sé on dénonnmé doktè Maulana Karanga ki sé profésè a étid afrikenn an péyi mériken. I kréyé sa an 1966. Pou ki i kréyé-y? Sé padavwa tout nèg ka apwann tout kilti a dòt pèp é ras andéwò dè ta yo. Kwanzaa a pa on rèlijyon mé on sélébrasyon kiltirèl

Inona marina ny hoe Kwanzaa? Marika hafa? Tsia, fankalazana ara-kolotsaina ho an'ny olona mainty hoditra rehetra eto an-tany izany. Fankalazana ny vondrom-piarahamonina sy ny fianakaviana mainty hoditra rehetra ihany koa izany. Iza no namorona ity fankalazana ity? Lehilahy iray antsoina hoe Dr. Maulana Karanga, izay mpampianatra momba ny Fianarana Afrikana any Etazonia. Namorona izany tamin'ny taona 1966 izy. Ary nahoana izy no namorona azy io? Satria nihevitra izy fa nianatra foana momba ny kolontsain'ny hafa ny mainty hoditra fa tsy ny azy manokana. Tsy fankalazana ara-pivavahana ny Kwanzaa fa fankalazana ara-kolontsaina.

Manome fanazavana fanampiny ao amin'ny bilaogy leflingueur i Allain Jules:

C’est un événement majeur, le plus important même pour les negro-africains. Importé des Etats-Unis depuis peu, il a déjà commencé à faire jaser sérieusement en France.

Hetsika lehibe izany, ny lehibe indrindra ho an'ireo Afrikanina-Amerikanina. Nalaina avy any Etazonia vao haingana, efa nanomboka malaza be ao Frantsa sahady ny Kwanzaa

Manamafy i Jules fa tsy fankalazana ara-pivavahana ny Kwanzaa ary mamory olona avy amin'ny vazantany samihafa:

Kwanza est donc un ensemble permettant à la fois de se retrouver pour mieux se connaître, de parler pour mieux s’apprécier, de manger des mets de l’océan indien, les saveurs africaines ou caribéennes, de partager des idées d’innovation, de vocation, de créativité, de découverte, de coopération, tant politique, sociale, qu’économique, et de mettre en place des entraides.

Ny Kwanza dia fankalazana ahafahan'ny olona mifankafantatra tsara kokoa, miresaka mba hifankatia, miara mihinana sakafo avy any amin'ny firenena Oseana Indianina, nahandro Afrikana na Karaibeana, mba hizara hevitra momba ny fanavaozana, ny fahaiza-manao, ny famoronana, ny fikarohana, ny fiaraha-miasa, na ara-politika, ara-tsosialy na ara-toekarena, ary mametraka fiarahamiasa.

Mahatonga fanontaniana izany hoe: Iza no nampiditra tao Goadelopy ny fankalazana ny Kwanzaa, “noforonina” tany Etazonia, ? Misy ampaham-baliny ny hoe lasa toerana firongatry ny tanora Goadelopiana i Etazonia Amerika. Raha ny marina, folo taona lasa izay, nanomboka nianatra tany Amerika Avaratra ny tanora Goadelopiana, fa tsy tany Frantsa metropolitanina. Manome valiny mazava kokoa amin'ny fanononana ny anaran'i  Ama Mazama i Shaka Zulu:

Ama Mazama est également connue sous le nom de Marie-Josée Cérol. Native de la Guadeloupe, elle est docteur en linguistique (Sorbonne Nouvelle, 1987), et enseigne au Département d'études afro-américaines de la Temple University aux États-Unis.

Ama Mazama dia fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe Marie-Josée Cérol. Teraka tany Goadelopy izy, dokotera momba ny fiteny izy (Sorbonne Nouvelle, 1987), ary mampianatra ao amin'ny Departemantan'ny Fianarana Afrikana Amerikanina ao amin'ny Oniversiten'ny Tempoly any Etazonia.

Araka ny asehoan'ity lahatsary avy amin'ny gazety Soisa Frantsay le Matin.ch ity, fantatra tamin'ny fanoloran-tenany tamin'ny Pan-Afrikanisma sy ny fomba fijeriny momba ny tantaran'ny fanjanahantany tany Afrika sy Karaiba i Ama Mazama. Noho ny ampahany tamin'izany no nanovany anarana sy nandaozany ny anarany Goadelopiana, niova ho anarana Afrikana. Tsy mahagaga raha izy no nanapa-kevitra, folo taona lasa izay, nampahafantatra ny fankalazana ny Kwanzaa tamin'ny Goadelopiana.

Tamin'ity taona ity ihany, niverina tany Goadelopy i Ama Mazama mba hankalaza ny Kwanzaa miaraka amin'ny fianakaviany, namany, fa maro koa ny olona tsy fantatra anarana izay nahita sy nampihatra ity fomba amam-panao ity. Natao tany Goadelopy ny Asabotsy 27 Desambra 2008 ny fankalazana ary nanaraka ity programa manaraka ity:

1/ Conférence-débat (vidéo-projection)
Thème : Les implications de l’Election d’OBAMA pour le monde noir.

2/ Présentation des 7 préceptes du Kwanzaa

3/ Festivités : Echanges culturels, poèmes, Gwo Ka

1/ Fihaonambe-adihevitra (lahatsary)
Lohahevitra: Ny fiantraikan'ny Fifidianana an'i OBAMA ho an'ny mainty hoditra manerantany.

2/ Fampahafantarana ireo fitsipika 7 an'ny Kwanzaa

3/ Fetibe: Fifanakalozana ara-kolontsaina, tononkalo, Gwo Ka

…ary mazava ho azy, sakafoben'ny Kwanzaa!!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.