· Marsa, 2013

Tantara mikasika ny Foko sy Fiaviana tamin'ny Marsa, 2013

Androany Tibet, Rahampitso Hong Kong?

Mafana fo amin'ny tambajotra any Hong Kong no nikarakara fihaonambe hanehoany ny firaisankinany amin'ny Tibetana teo amin'ny fitsingeran'ny faha 54 taonan'ny Andro Firohotana Tibetana tamin'ny Alahady 10 Martsa 2013. Maro amin'ireo mpandray anjara nanatrika ny fihaonana no mihevitra fa tokony handray ny lesona avy amin'i Tibet ny vahoakan'i Hong Kong mba tsy hiverenan'ny tantara any Hong Kong.

29 Marsa 2013

Nontsanin'ireo Nizeriana Tamin'ny Bitsika Tamin'ny Teny Yoruba Ny Twitter

Rakotra Yoruba, fiteny iray amin'ireo fiteny telo eo an-toerana be mpampiasa indrindra any Nizeria, ny Twitter, ny 1 Martsa 2013, raha nandrehitra ny tranonkalan'ny bilaogy kely tamin'ny bitsika amin'ny teny Yoruba ireo mpampiasa ity teny ity ho isan'ny fanentanana hankalazana ilay teny eo amin'ny haino aman-jery sosialy ary koa hamporisihina ny Twitter mba hampiditra azy ity ao amin'ny tetikasa fandikantenin'izy ireo.

24 Marsa 2013

Fanafihana Ny Hindou Tao Bangladesh, Valifaty Noho ny Fanamelohana Ho Faty Ilay Lehiben'ny Islamista

Tsidiho ny fitantarana manokana ataonay momba ny Fihetsiketsehana #Shahbag ao Bangladesy Niharan'ny fanafihana ireo Hindou ao Bangladesh, satria vonona amin'ny fampiharana herisetra goavana manerana ny firenena ireo Islamista tezitra tamin'ny didim-pitsarana fanamelohana ho faty...

20 Marsa 2013