Ejipta: Manova Zavatra ireo Bitsika #Top50Eg

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Martsa 2010)

Tampotampoka eo, rakotry ny tenifototra #Top50Eg ny fifanesem-potoana tao amin'ny Twitter-ko. Ampiasain'ireo Ejiptiana mpampiasa Twitter io tenifototra mba hilazana ireo fahazarana sy fomba fanaon'ny Ejiptiana. Misy honohono hoe ny Mpanjakavavy Rania ao Jordàna, fantatra amin'ny hoe bitsiky ny Fanjakàna, nanasonia tamin'ny tenifototra #Top50Jo no nanombohan'ny zavatra rehetra, ary ankehitriny noraisin'ireo Ejipiana mpibitsika ho an'i Ejipta ilay izy.

Ibrahim Abdel Fattah nanoratra lahatsoratra tao amin'ny bilaoginy momba ilay tenifototra, tain'ny fitenenana hoe:

Misy lohahevitra iray tena goavana  ironana ao amin'ny Twitter izay tena manana tanisa faran'izay mahafinaritra tokoa momba ireo zavatra mety ho fandrenao, fahitanao na tsapanao eto Ejipta :D, jereo ato anie e!

Indreto ny sasany amin'ireo bitsika mahaliana:

2insana:
جارتي خبطت عليا وادتني طبق كيكة وسلمت عليا وقالتلى انا بس عايزة اطمن عليكي ودعيتلي وقالتلى نهارك زي الفل .. هما دول المصريين 🙂
2insana: Nandondòna tao am-baravarako ilay mpiray vodirindrina amikoa ry nanome ahy mofomamy, niteny hoe manakory, nanontany ahy ny momba ahy, nivavaka ho ahy, ary niteny hoe ‘Manao ahoana ianao!”….Ejiptiana ireny.
NadiaE: tafakatra amin'ny toerana fahafolo amin'ny laharana FIFA/Coca-Cola Erantany i Ejipta.
btnafas7oria: Amin'ny maha-teratany Ejiptiana [iray] ahy tsy azo [-ko] atao ny miditra ao amin'ireo Trano Kitsoloha (Piramida)!
ElBa7r: فى مصر ممكن حلمك انك تطلع مخرج سنيمائي والتنسيق يدخلك حقوق ولما تتخرج تشتغل محاسب
ElBa7r: Ao Ejipta, azonao atoa ny manonofy hoe lasa tale-nà sarimihetsika ianao, manosika anao ho eny amin'ny Fakiolten'ny Lalàna ny naotinao, ary farany miasa mitàna ny toeran'ny mpitantambola ianao.
Mkhaled1: Omaly aho nitazona kapoaka foana iray tany anaty fiara fitaterana iraisan'ny rehetra, ny bandy sasany toy ny manao hoe “tsy efa foana ve iny? Atsipazo any an'arabe any!”

Ary farany, ilay Ejiptiana bilaogera sady mpibitsika, Nadia El Awady, nanoratra lahatsoratra iray vaovao ary niezaka ny nanangona ireo bitsika tsara rehetra nampiasàna io tenifototra io.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.