Tantara mikasika ny Foko sy Fiaviana tamin'ny Oktobra, 2019
Ahoana ny nananganan'ny vondron'antoko mitondra ao Ethiopia boky fampiasana handisoam-baovao
Lasa tondrozotra ho an'ny vondrona mpanohitra hamelezana ireo mpifanandrina aminy sy ny governemanta ny taktikam-pikirakirana ifamelezan'ny mpikambana amin'ny ady anatiny.
Na dia teo aza ny ‘solon'ny loka’ tamin'ny herintaona dia tsy nomena an'i Maryse Condé avy ao Guadeloupe ny Loka Nobel Literatiora taona 2019
Saika nitsiky tany amin'i Maryse Condé ny herijika saingy ilay mpanoratra Aotrishana Peter Handke no notoloran'ny Akademian'i Soeda ny loka Nobel ho an'ny Literatiora taona 2019.
Kazakhstan: Ny fiheverana ratsin'ireo bilaogera amin'ny fahavaratra
Matetika dia vanimpotoana maty ho an'ireo mpampiasa aterineto manerana ny tany ny fahavaratra. Tsy mitsahatra manoratra ireo bilaogera Kazakh – manome fanaovangazetin'olontsotra vitsy kokoa, saingy mamokatra hevitra midadasika kokoa.
Dinika nasionaly ao Kamerona diso lalana
Nanomboka tamin'ny alatsinainy 30 septambra 2019 ny herinandro fifampiresahana hamaranana ny ady ifanaovan'ny tafiky ny governemanta sy ny milisin'ny faritra miteny anglisy ao Kamerona, ary tontosaina ao amin'ny renivohitry ny firenena ao Yaoundé izany. Na izany aza, mitarazoka ao amin'ny tahotra ny olompirenena fa tsy hampitsahatra ny krizy ny fifampiresaham-pandriampahalemana.
Ny hatsaran-tarehin'ny salohim-bary avy amin'ny talenta ara-javakanto any India sy Nepal tsy dia misy mpahalala loatra
Miha-manjavona tsikelikely ny fomban-drazana amin'ny fanaingoana trano amin'ny salohim-bary norandranina ho hanana endrika tsara tarehy.