Tantara mikasika ny Foko sy Fiaviana tamin'ny Jolay, 2014
Tsy Tian'Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Anti-Gay ao Jamaika Ny Antsoina Hoe Mpankahala Pelaka
Niala an-daharana mba tsy hopetahana anarana "hômôfôby" ireo vondrona manohitra izay mety ho fanafoanana ny lalàna manohitra ny sodomia tamin'ny vanim-potoanan'ny fanjanahan-tany. Nilaza kosa ireo bilaogera ao Karaiba fa rehefa hômôfôbia dia hômôfôbia.
Ireo Amerikana Mainty Ve No Taitra Kokoa Amin'ny Resaka Fiaviana Raha Mitaha Amin'ireo Mainty Avy Any Karaiba?
Lazain'ilay bilaogera, Aidan Neal, fa ny Amerikana mainty no "tena iharan'ny tsy rariny amin'ny resaka fanavakavahana ka mahatonga azy ireo saika manana fitondrantena manafintohina ny ankamaroany," raha tsy lohahevitra mahazatra kosa izany ho an'ny fifanakalozan-dresaka any Karaiba.
Nilaza Tamin'ireo Mpampianatra Ambony Momba Ny Fivavahana i Poutine fa “Nanan-talenta” i Goebbels
Niantso an'i Joseph Goebbels, Minisitry ny Fampielezan-kevitry ny Nazi ho “lehilahy mana-talenta” i Vladimir Putin nandritra ny fihaonana tamin'ny delegasionan'ireo raby iraisam-pirenena.