Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Aogositra, 2012

Tantara mikasika ny Foko sy Fiaviana tamin'ny Aogositra, 2012

31 Aogositra 2012

Kyrgyzstan: Tafiditra Anelanelan'ireo Nasionalista, Manasazy Mpanao Gazety Ny Fitsarana

Mikasika ny raharaha iray niteraka adihevitra be, nosazian'ny fitsarana iray ao Kyrgyzstan tamin'ny fandoavana honitra i Vladimir Farafonov, mpanao gazety teratany Rosiana, nohon'ny famoahana lahatsoratra izay mandrisika ny fisian'ny fifankahalan'ny vahoaka iray firenena. Nizara roa ny mponina amin'ny aterineto teo amin'ny fanehoan-kevitra mikasika ny didim-pitsarana. Raha maro ireo izay mihevitra...

25 Aogositra 2012

Zambia: Ravan'ny Polisy Mialoha Ny Fanafihana Fankahalana Vahiny Saika Natao Tamin'ireo Kongole Mpivarotra

Nanakana izay azo lazaina ho valifaty mety nitarika fahafatesana maro sy fanafihana noho ny fankahalana teratany vahiny saiky natao an'ireo teratany avy amin'ny mpiray vodirindrina aminy, Repoblika Demokratikan'i Kongo, monina any Zambia, taorian'ny fandoran-ko faty ny mpamily Zambiana iray tany amin'ny tanàna Kongole any amin'ny sisintany any Kasumbalesa, izay nahatafiditra...