Manery ny Antokon'ny Fitondrana ao Ethiopia Ny Fitomboan-Dazan'ny Mpanohitra

Tabilao fampielezan-kevitra ho an'ny EPRDF eo akaikin'ny tabilao tsingeritaona faha-35 ny TPLF. Milaza ny tabilaon'ny EPRDF fa “ny fifidianana ny EPRDF dia midika ho fiantohana ny fanohizana ny fampandrosoana sy fahaveloman'ny firenena indray” Milaza koa ny tabilaon'ny TPLF hoe “haverintsika indray ny fandresena azontsika taloha”. Sary tamin'ny taona 2010 avy amin'ny Uduak Amimo tao amin'ny BBC World Service. CC BY 2.0

Nandritra ny enim-bolana lasa izay, niteraka tolo-pahefana tao anatin'ny fiaraha-mitantana naharitra ela tao amin'ny firenena, ny Manda Demokratika Revolisioneram-bahoaka Ethiopiana (EPRDF) ny hetsi-panoherana mitranga any Ethiopia, miteraka fanamby mbola tsy nisy toy izany nandritra ny 27 taona nitondrany.

Ny 30 desambra, nanjary niharihary ny habetsahan'ny mpanohitra nandrahona ny toe-draharaha ara-politika raha niresaka tamin'ny firenena ny EPRDF tamin'ny fanambarana lavabe tamin'ny fahitalavitra natao hampitony ny hetsika efa telo taona, izay nihantsy ireo famoretana nahafatesana olona mba hitaky, fisoloan-tena ahitana vondrona ara-poko ao amin'ny governemanta ao Ethiopia, ankoatra ny hafa zavatra.

Nitranga izany rehefa nasaina tamin'ny fivoriana miafina nambenana izay naharitra roa herinandro mahery (nanomboka ny 12 Desambra hatramin'ny 30 Desambra 2017) ireo mpikambana 36 tao amin'ny solontenan'ny mpanapa-kevitry ny EPRDF, komity mpanatanteraka.

Saingy na dia betsaka aza ny fanantenana, mety hitondra fanavaozana ara-politika goavana ny fitomboan'ny teritery, diso fanantenana tamin'ny fanambarana izy ireo, izay tsy nanolotra na inona na inona tamin'izany.

Fiaraha-mitantana tsy mifandanja ara-pahefana

Fiaraha-mitantanan'ireo antoko efatra ara-poko ny EPRDF: ny Hetsika Demokratikam-pirenena Amhara (ANDM), ny Fikambanana Demokratim-bahoaka Oromo (OPDO), ny Hetsika Demokratikam-bahoaka Etiopiana (SEPDM) ary ny Mandan'ny Fahafahana Tigrayan (TPLF). Milaza fa misolo tena ireo vondrona ara-poko lehibe ao Ethiopia ireo efatra ireo, saingy mifanakaiky tsara amin'ny foto-kevitra, fikambanana ara-politika, ary fironana politika.

Ny TPLF no atidoha mpibaiko ny fiaraha-mitantana EPRDF, manana fahefana tanteraka nandritra ny faran'ny ampahaefatry ny taonjato.

Ho an'ireo mpikatroka mpanohitra, teny filazana diso ny “Manda Demokratika Revolisioneram-bahoaka Ethiopiana” satria eo amin'ireo antoko efatra, ny TPLF, fa tsy ny antoko telo hafa, no manapa-kevitra rehefa hanome fahefana ho an'ny mpikambana hafa ao amin'ny fiaraha-mitantana, na hanaisotra izany.

Milaza ny tsikera fa mampiasa ny fiaraha-mitantana ny TPLF mba hanamafisana ny fahaizan'izy ireo manokana mitazona ny afovoan'ny firenena sy ny faritra ho eo ambanin'ny fifehezany ary mandray anjara toy ny “tambanjotran'ny fitantanana” ireo antoko telo ambiny, mivarotra ny filan'ny vahoakan'izy ireo amin'ny alalan'ny ambaindainy ara-politika.

Ny mpikambana manjaka indrindra amin'ny fiaraha-mitantana, TPLF, no antoko reny mampahatsiahy ny Antoko Komonista Sovietika. Nanangana ny EPRDF ny TPLF, nanamafy izany tamin'ny alàlan'ny fananganana foto-kevitra isan-karazany ary nampiasa ireo “mpanompo” mba hanamafisana ny maha-ara-drariny azy sy hanohitra ireo antoko tsy miankina.

Mikasika ny fisoloan-tena, mandrafitra ny 35 isanjaton'ny olona 100 tapitrisa ao amin'ny firenena ny Oromos, Amharas indray mitotaly eo amin'ny 30 isanjaton'ny mponina, ary 14 isanjato ny ao amin'ny faritra atsimon'i Ethiopia. Raha 6% monja ny mponina Tigrayana, dia ireo no anisan'ny miaramila manamboninahitra ambony indrindra mifehy ny fiarovana ny firenena.

Tsy mila saribakoly intsony?

Nanjary niharihary nandritra ny volana maromaro ny tolo-pahefana. Tamin'ny volana Oktobra, nametra-pialàna ny filohan'ny parlemanta Ethiopiana noho ny filazana tsy fanajana ny vahoaka Oromo.

Ary nivoaka fanta-bahoaka ny fifandirana teo amin'ny OPDO sy ny TPLF – izay efa nitranga nandritra ny fotoana fohy –  raha nandà tsy hanao ny asan'izy ireo ny OPDO ary avy eo ny mpikambana ao amin'ny ANDM ao amin'ny parlemanta Ethiopiana raha tsy manome fanazavana azy ireo momba ny herisetra mitohy atao amin'ireo mpanao fihetsiketsehana ny sampana mpanatanteraka ao amin'ny governemanta.

Manao ankivy ny antenimiera ho toy ny rivo-piovana (#OromoProtests + #AmharaResistance) ireo solombavambahoakan'i Oromo sy Amhara ary nahatratra ny vondrona mpanao lalàna ao Ethiopia ny tolo-pahefana mangidy ao anatin'ny fiaraha-mitantana EPRDF – fanadihadiana vaovao miaraka amin'i @AbbaKayo:

Nilaza ny sasany fa raha nanohitra ny TPLF ny mpikambana ao amin'ny OPDO sy ny ANDM, ny fahefana no noheverin'izy ireo kokoa, fa tsy ny foto-kevitra.

Na dia izany aza, tsara ny manamarika fa ny ampahany sasany ao amin'ny OPDO sy ANDM dia nipoitra ihany koa mpanandra-tenin'ny fanavaozana ara-politika ao anatin'ny EPRDF, izay tonga taorian'ny fihetsiketseham-bahoaka malaza mbola tsy nisy toy izany tany amin'ny faritra misy azy ireo tsirairay avy: Oromia sy Amhara.

Taonan'ny Fikambanana Demaokratim-bahoakan'i Oromo (OPDO) ny taona 2007. Afaka nanozongozona ny marika saribakoly ny OPDO ary hita ankehitriny fa maneho hevitra eo amin'ny politikan'i #Ethiopia.

Nanomboka namolavola fampiraisam-pikambanana ihany koa ireo sangany ara-politika ao amin'ny antoko roa, fivoarana manan-danja satria nanohitra ny fizarazarana ara-politika ao amin'ny firenena ireo sangany avy ao amin'ny vahoaka Oromo hatrizay. Tsegaye Ararssa, mpampianatra ambony am-pielezana sady mpanohitra mpaneho hevitra ara-politika, nanoratra tao amin'ny pejiny Facebook:

That nothing has unsettled TPLF in recent years more than the OPDO-ANDM alliance and the gestures of #Oromara solidarity is confirmed in the EPRDF CC Press Release. This is a conclusive evidence that it is the content of this gesture of solidarity, its substance–given real flesh and blood–that will be the undoing of TPLF's hold on power. #Oromara #OromoRevolution

Tsy nisy nanelingelina ny TPLF tato anatin'ny taona vitsivitsy, toy izany koa ny fikambanana OPDO-ANDM ary nohamafisina tao anatin'ny filazana an-gazety EPRDF CC ny fihetsiky ny firaisankinan'ny #Oromara. Porofo manamarina izany fa ny votoatin'ity fihetsika firaisankina ity, ny singany- nomena tamin'ny tena nofo sy rà – no ho fampitsaharana ny fitazom-pahefanan'ny TPLF. #Oromara #OromoRevolution

Fitoniana, fa tsy tena fanavaozana

Nandritra ny andro maromaro, nandrasana mba hanome endrika goavana momba ny fahavononan'ny TPLF hifampiraharaha manoloana ny fihetsiketseham-bahoaka sy ny fitomboan'ny teritery ataon'ireo mpikambana roa ao amin'ny fiaraha-mitantana, OPDO sy ANDM ny vokatry ny fivorian'ny komity mpanatanteraka ao amin'ny EPRDF .

Na dia izany aza, niseho mialoha ny fanantenana fa hitondra fanavaozana azo antoka ao anatin'ny EPRDF ny fivorian'ny komity mpanatanteraka ao amin'ny EPRDF.

Tao anaty fanambaràna iray novakiana tao amin'ny fahitalavi-panjakana sy navoaka tao amin'ny Facebook, nanambara andiana hetsika ara-politika vaovao ny EPRDF, anisan'izany ny voady hamarana ny kolikoly, fitadiavana fampindramam-bola ary fanohanana politika.

Naneho ny alahelony ihany koa izy noho ny fahafatesana sy ny fifindra-monina nitranga nanomboka tamin'ny fitroarana manohitra ny governemanta ary nisaotra ny mpitandro ny filaminana sy ny fiarovana Ethiopiana noho ny asan'izy ireo (na dia nahazo tsiny betsaka noho ny herisetra aza izy ireo).

Araka ny filazan'ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona, olona 1.500 fara fahakeliny no maty nandritra ny telo taona farany.

Nampanantena ihany koa ny fanambarana, tsy nanoritra mazava, fa hanafoana ny “fifandraisana tsy misy fitsipika” mahakasika ny fiarahana vao teraka eo amin'ny OPDO sy ny ANDM.

‘Tsy heveriko fa misy fihetsika tsara eto’

Mihevitra ny sasany fa mifanaraka tsara amin'ny fandaharam-potoana ara-politikan'ny TPLF ny fanambarana, izay heverina fa fanehoana iraisana avy amin'ireo mpikambana efatra ao amin'ny fiaraha-mitantana.

Milaza ihany koa ireo mpitsikera fa ny mahafaly ny media sosialin'ny TPLF manaraka ny toro-marika dia mbola mihazona ny fahefana ny mihoatra noho ny hafa ny antoko.

Mohammed Ademo, mpanao gazety monina any am-pielezana, namintina ny fanambarana araka ny fijeriny tao amin'ny Facebook:

Here is a quick reax: Sorry but not sorry; Oromia will be militarized to stop all protests, road blockage and similar activities; Allegations of Tigrayan hegemony unfounded; Thank you to our security forces for wanton killings and for turning a blind eye as hundreds of Oromos were killed and hundreds of thousands of Oromos and Somalis displaced; There will be heightened social media crackdown; OBN and Amhara TV will fall back in line and return to their old platform as agitprops; The budding Oromo and Amhara alliance is a threat to continued Tigrayan dominance over the country and it must be squashed; EPRDF will return to its democratic centralism and revolutionary democracy roots.On the surface, this looks like an embarrassing setback for OPDO. I don’t think there is a positive spin here. TPLFites must be smiling

Ity misy fanehoan-kevitra fohy: Miala tsiny fa tsy miala tsiny; hanapariahana miaramila i Oromia  mba hampitsaharana ny hetsi-panoherana rehetra, ny sakan-dalana sy ny hetsika tahaka izany; Ny fiampangana ny fanjakazakan'ny Tigrayana tsy mari-pototra; Misaotra ny mpitandro filaminantsika noho ny famonoan'olona tsy amin'ny antony sy noho ny tsy firaharahiana satria Oromos an-jatony no maty ary an'arivony maro ireo Oromos sy Somalis nafindra toerana; Hihamafy ny famoretana ny media sosialy; Handefitra ny fahitalavitra OBN sy Amhara ary hiverina amin'ny sehatrany (fahitalavitra) tranainy tahaka ny mpanao propagandy eo amin'ny sehatry ny zavakanto; Ny fiarahan'ny Oromo sy ny Amhara dia fandrahonana  ny fanjakazakan'ny Tigrayana tsy mitsahatra manerana ny firenena ary tsy maintsy hofoanana izany; Hiverina amin'ny fiaviany demaokrasia miangom-pahefana sy demaokrasia revolisionera ny EPRDF. Eo amin'ny lafiny iray, toa tahaka ny fihemorana manahirana ho an'ny OPDO izany. Tsy mihevitra aho fa misy fihetsika tsara eto. Mitsiky izay ry TPLFista.

Na dia nilaza ny fisalasalan'izy ireo aza ireo mpanohana ny OPDO sy ANDM fa tsy vonona mihitsy ny hifanandrina amin'ny TPLF ireo antoko roa ireo:

Milefitra eo ambanin'ny lanjan'ny 18-andron'ny fampandriana andrisa, fandrahonana sy fandokafana ataon'ny TPLF ve ny OPDO? Raha izany no izy dia mizotra mankany amin'ny lavaka mangitsokitsoka ny firenena. Hanavotra ireo olona mijaly izay hizaka ny ngidiny hahatonga ny TPLF/EPRDF ho didy jadona hanjaka farany amin'ny Fitondrana Ethiopiana i Andriamanitra.

Satria mitolona amin'ny krizy goavam-be ao amin'ny taranaka iray ny firenena, ny fanontaniana mipetraka dia hoe: Ahoana no hiafaran'ity krizy ara-politika mangotantana ity?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.