Tantara mikasika ny Foko sy Fiaviana tamin'ny Jolay, 2012
Repoblika Demaokratikan'i Congo : Voampanga Any Avaratr'i Kivu i Rwanda
Hatramin'ny volana Aprly, ny M23, ivondronan'ireo mpiady tranainy tao amin'ny mpihoko tutsi Kongoley avy amin'ny Congrès national pour la défense du peuple CNDP dia manakorontana ny faritany Avaratr'i Kivu any Atsinanan'ny Repoblika Demaokratikan'i Congo. Ankoatry ny zavatra hafa dia takian'ireny miaramila ireny ny hanajàna ny fifanarahana tamin'ny 2009 izay, araka ny hevitr'izy ireo, dia tsy hajain'ny governemanta kongoley Mihevitra ny sasany fa tsy noho ny tsy fanajàna ireny fifanarahana ireny ihany no anton'ireny fitsoahana an-daharana ireny fa misy ihany koa finiavana hizarazara ny firenena. Mitohy miteraka fahafatesan'olona marobe sy fifindra-monina faoben'ny vahoka ny hetsika M23.
India: Fifandonana Ara-poko Ao Assam
Namono olona 32 raha kely ary nandratràna maro hafa ny ady teo amin'ireo foko Bodo zanatany sy ireo voanjo miozolmana tao amin'ny fanjakan'i Assam. Manodidina ny 70.000 ireo mponina no nandositra ny toeram-ponenan-dry zareo hatramin'ny nipoahan'ny herisetra ary nialokaloka any amin'ireo toby vonjimaika. Raha kely dia tanana 60 avy amin'ny andaniny sy ny ankilany Bodo sy Miozolmana tao amin'ny distrikan'i Kokrajhar sy Chirang no voaroba sy voadoro.
Bahamas: Fanamarihana Tamin'ny Fitifirana tao Colorado
Tsy dia nisy fanehoan-kevitra mivaingana loatra teny anivon'ny tontolon'ny bilaogy Caribbean mikasika ilay fifitirana tao aminà trano iray fandefasana sarimihetsika tao Colorado - izay lazaina ho ny tena nahafaty olona betsaka indrindra teo amin'ny tantaran'i Etazonia ankehitriny - notehirizin'ny bilaogera Bahamiana roa, izay ho azy ireo dia vaovao mahakasika akaiky ny taniny
Etazonia: Fitroarana Ao Anaheim Taorian'ny Namonoan'ny Polisy Lehilahy Iray Tsy Nitondra Afa-tsy Tànam-polo
Taorian'ny nitifiran'ny polisy an'i Manuel Díaz, lehilahy iray Latino -Amerikana 25 taona, tsy nitana fiadiana, tamin'ny Sabotsy 21 Jolay nandritra ny fifanenjehana tao Anaheim, California, nanao hetsi-panoherana ny habibian'ny polisy sy tamin'ny fitorohana ny fiakaran'ny herisetra atao azy ireo ny olona. Lahatsary sy fanehoan-kevitra avy aty anaty aterineto no zarainay etoana..
Gòatemala : Fanafihana Mahery Vaika Atao Amin'ireo Mpitolona
Miha mitombo hatrany ny fanafihana mahery vaika atao amin'ireo mpitolona ao Gàatemala. Lolita Chavez, mpikambana ao amin'ny Fila-kevi-bahoaka K’iche , no niharan'ny fanafihana nataon'ireo andian-dehilahy mirongo fitaovam-piadiana izay niezaka namono azy...
Pôrtô Rikô: Niteraka Korontana Ny Fitsarana Ny Raharahan'i Francheska Duarte
Nodonin'ny sakaizany taloha tamin'ny fiara ary navelany tany amin'ny toby fitsaboana vonjimaika ilay vehivavy renim-pianakaviana antsoina hoe Francheska Duarte. Ilay mpitsara nomena andraikitra hitsara io raharaha io, dia nahita fa tsy heloka bevava no azo anamelohana an'i Jorge Ramos, sakaizan'i Francheska taloha fa nohon'ny tsy fikarakarana ilay marary fotsiny ihany. Niteraka korontana tao amin'ilay nosy io didim-pitsaràna io .
Azia Atsimo Atsinanana: Toeran'ny Ady An-trano Goavana Indrindra Misy Eto An-tany Amin'izao Fotoana
Mbola be lavitra noho ny tora-pasika fotsy manjopiaka, ny tempoly sy ny hotliny no azo ambara momba an'i Azia Atsimo Atsinanana : Tsy dia resahana matetika fa hoe raha ny marina dia toerana isian'ny ady an-trano maharitra indrindra teto ambonin'ny tany ilay faritra, ny toerana nizaka ny zera baomba mavesatra indrindra teto an-tany sy ny fihokoana islamista goavana indrindra eto an-tany