Tantara mikasika ny Foko sy Fiaviana tamin'ny Mey, 2017
Azerbaijan: Tonga Ao Baku Ny DOTCOM
Tamin'ny alina farany teo, tonga tao Baku, Azerbaijan ireo mpandray anjara Amerikana ao amin'ny Departemantam-panjakana Amerikana izay manohana ara-bola ny tetikasa DOTCOM mba hamory miaraka ireo tanora Armeniana, Amerikana ary Azerbaijani amin'ny famoronana fampitam-baovao manaitra ara-tsosialy.
Emirà Arabo Mitambatra: Lahatsary Mampihoro-koditra Nanafintohina Izao Tontolo Izao
Tamin'ny herinandro lasa, nisy lahatsary manjavozavo efa tamin'ny taona 2005 nivoaka lohatenim-baovao, ary nanafintohina izao tontolo izao. Ny lahatsary, izay navoaka voalohany tao amin'ny ABC News ao Etazonia dia nampiseho an'i Sheikh Issa Bin Zayed al-Nahyan - rahalahin'ny Printsy Sheikh Mohammed ao Emirà Arabo Mitambatra -mampijaly Afgàna mpamboly.
Chez Gangoueus: Bilaogy Mamiratra Momba Ny Literatiora Afrikana Amin'ny Teny Frantsay
Izay mamirapiratra tamin'ireo bilaogy mahavariana amin'ny teny 11 no mahazo ny Loka ho an'ny Bilaogy Tsara Indrindra 2010. Chez Gangoueus (amin'ny teny Frantsay) no mpandray anjara nahazo ny laharana faharoa tamin'ny loka Bilaogy Tsara Indrindra amin'ny teny Frantsay tamin'ny taona 2010.
Etazonia: Tetikasan-Tanora Tompotany Mandrakitra ny Tantarany Amin'ny Lahatsary
Ny lahatsary, hoan'ny vondrom-piarahamonina Navajo, no lasa lalana ifandraisan'ny tanora amin'ny razambeny sy ny tantaran'ny vahoakany amin'ny alalan'ny tantaran'ny Vehivavy Mavo.
Israely: Noho ny Fitiavana Sakafo
[...] satria rehefa miteny ny olona hoe "sakafo jiosy", voamariko fa tsy miresaka afa-tsy sakafo ashkénazes (avy any Eoropa atsinanana) ry zareo. [...]
Taona Fito Taorian'ny Namonoana Azy, Mbola Tavela ny Lovam-Panantenana Navelan'i Farzad Kamangar, ilay Kiorda Mpampianatra
"Fantatro fa indray andro any, ho vita rarivato ho an'ireo mpampianatra ity làlana henjana sy mikintaontaona ity ary ny fijaliana iaretanareo dia ho toy ny mariky ny voninahitra ..."
Ny “Famotsiana” Ara-tSosialy Araka izay Iainana sy Ahitàn'ilay Lasibika Afro-Kolombiàna Azy
"Ireo ankizy ho voadio ara-tsosialy nefa tsy ho tonga saina amin'izany akory no eritreretiko. Avakavahana ry zareo nefa tsy mahalala na inona na inona momba izay razambeny" . Inona no ho fiantraikany amin'ireny ankizy ireny rehefa tsy toriana ny tahàka izany?
Rafael Braga Vieira: Endriky Ny Fanavakavaham-bolonkoditra Napetraky ny Lalàna Sy Ny Fahantrana Natao Ho Heloka Ao Amin'ny Fitsarana Breziliana
Tsy nanan-kialofana sady nanangona akora azo averina ampiasaina mba hivelomana i Braga tamin'izy voasambotra voalohany. Nefa mbola vao ny fiantombohan'ny tantara ratsy maizina kokoa izany.
Fantaro ny Fiainan'ny Vaoty, Vondrom-poko Iray Andalam-panjavonana Ao Rosia
Olona ampolony monja ny Vaoty, miaina ivelan'i St. Petersburg ny vondrom-piarahamonina Vaody lehibe indrindra. Nifampireska tamin'ireo taranaka Vaody sasany sisa mbola velona i Victoria Vziatysheva.
Avonavon'Ampanjaka Tamin'Ampanjaka Iray Hafa Niteraka Adihevitra Mafana Tao Nizeria
Nanevateva ampahibemaso ny Ooni ao Ife nandritra ny lanonana tao Lagos ny Oba ao Lagos. Niteraka resabe teo amin'ireo mpiserasera izany