Tantara mikasika ny Foko sy Fiaviana tamin'ny Avrily, 2015
Niaiky Ny Hadisoany Tao Amin'ny Aterineto Ireo Teratany Japoney ‘Netto-Uyo’ Mpanavakava-Bolon-Koditra Teo Aloha
Nilaza ireo Japoney mpaneho hevitra ety anaty aterineto izay mpanao teny misoritra fankahalana fa voasarika loatra tamin'ny tontolon'ny fanehoankevitry ny farany havanana tao amin'ny aterineto izy ireo mba hialàny amin'ilay fahatsapan-tena ho irery.
Malaza Ratsy Ny Bilaogera Ao Trinidad & Tobago, Toy Ny Olon-dratsy Politika Voakarama Manimba Ety Anaty Tranonkalam-Pifandraisana
Satria voalaza fa manakarama olon-dratsy ety anaty aterineto mba hanaparitaka fanivaivàna sy fanenjehana ara-pirazanana ireo vondrona politika, maneho ny rikorikony kosa momba izany filentehana lalin'ny politika ao Trinidad sy Tobago ireo mpisera .
Tsarovana Ao Ejypta Ny Fahazato Taonan'ny Fandripahana ny Armeniana
Na dia tsy mankato ny fisian'ny Fandripahana ny Armeniana aza i Ejypta, nankalaza ny fahazato taonan'ny fandripahana tao Cairo ireo Armeniana Ejyptiana.
Resabe Taorian'ny Fandresen'ilay Sarimihetsika Timbuktu
Niteraka adihevitra marobe taty amin'ny tanibe afrikana ilay sarimihetsika Timbuktu. Ny sasany tia, ny kiana sasany miezaka manazava io fahombiazana io amin'ny fisian'ny dindo avy any ivelany
Mpanjakan'ny Lagos ao Nizeria: Norahonany Hifidy Ny Làlany – Na Ho Faty Ireo Vahoaka Igbo
" Raha manao izay tiako ianareo, hitohy hiroborobo ho anareo foana i Lagos. Raha mandeha tsy mifanaraka amin'ny faniriako ianareo, ho faty ao anaty rano ianareo."
Tsy Azo Idiran'ny Afrikana Hafa ve i Afrika Atsimo ?
Niaina fanafihana nateraky ny fankahalàna vahiny i Afrika Atsimo, nahitàna daroka, famonoana ary fandoroana sy fandrobàna toerana fivarotana an'ireo vahiny. Olona dimy no maty, ka ankizilahy 14 taona ny iray.
Tena Ambany Tokoa Ve No Fihevitry Ny Japoney Ny Amerikana?
Indro kelin'ny mpandrafitra tsinjon'ny USA Today tao anatin'ilay fitsapankevitra iray vaovao nataon'ny Pew ho fampitahàna ny fomba fifampijerin'ny andaniny sy ny ankilany eo amin'ny Japoney sy ny Amerikana, ka nataony ho lohateny lehibe.