Tantara mikasika ny Foko sy Fiaviana tamin'ny Mey, 2013
HORONANTSARY: Lehilahy Roa Avy Amina Tontolo Roa Samihafa, Nanohitra Tsifahamarinana Ary Nandresy
Mkhuseli "Khusta" Jack sy Oscar Olivera dia samy nitarika fihetsiketseham-panoherana roa samihafa tsy misy herisetra, ny iray tany Afrika Atsimo tamin'ny 1985, ary ny iray tany Bolivia tamin'ny 2000. Milaza ny tantaran-dry zareo ny horonantsary iray novokarin'ny Sekoly Fanaovan-gazety Voamarina.
Tiorkia: : Mpialokaloka Siriana No Voaheloka Taorian'ilay Fipoahana Tao Reyhanli
Ny 11 May, Reyhanlı [en] tanàna Tiorka kely any amin'ny sisintany manasaraka an'i Tiorkia sy Syria, no teo ambany fanafihan'ny mpampihorohoro. Io no fanafihana mpampihorohoro goavana indrindra [en] teo amin'ny tantaran'ilay firenena repoblikana 90 taona. Ireo mpisera ety anaty aterineto dia naneho hevitra mikasika ilay fipoahana, ny fandraràna iray napetraky ny governemanta amin'ireo media momba ilay zava-doza ary ny fikendrena ireo Siriana mpialokaloka naterak'izany