· Mey, 2008

Tantara mikasika ny Foko sy Fiaviana tamin'ny Mey, 2008

Nanjaka ny herisetra tao Afrika Atsimo

  29 Mey 2008

Na dia efa lasa andro maromaro aza izay ny nampafana ity raharaha ity dia tsara ihany araka ny fiheverako azy ny mamoaka azy etoana. Nanetsiketsika fatratra ny haino aman-jery ary mazava loatra ny… bolongana ihany koa ny ny herisetra faratampony mianjady amin’ny vahiny any Afrika atsimo. Mpibolongana vitsivitsy ary no lasa saina rah amarina tokoa ny filazan’ny governemanta ireny herisetra ireny ho « fankahalana vahiny » (xenophobe, ary misy ny mitsikera ny haino fampahalalam-baovao ho mampirona loatra ity toe-draharaha ity any amin’izay antony nahatonga ny herisetra.

Bahrain : “Fahirano” atao ireo teratany Bangladeshy

  28 Mey 2008

Taorian'ny nitrangan'ny loza andro vitsy izay, izay namonoan'olona ity teratany Bahrainy iray nohon'ny fandavany handoa ireo fanampin-karama 500 fils (1.3 USD) izay notakian'ity Mekanisiana teratany Bangladeshy iray tamin'ny asa notanterahiny,...

Palestina : Mamaham-bolongana ho an’i Palestina amin’ny 15 mey

  14 Mey 2008

Marihina amin’ny 15 mey 2008 ny fahaenimpolo taonan’ny Nakba na fahatsiarovana ny namindrana ny Palestianiana hiala an’Isiraely. Mazava loatra fa ho an’ny Isiraeliana izany dia midika ho fahaenimpolo taonan’ny fahaleovantenany. Ary ho an’ny mpamaham-bolongana kosa dia midika ho Andron’i Palestina ny 15 Mey.

Brezila: Famonoan-jaza ataon'ny fampahalalam-baovao fampisehoana

  03 Mey 2008

Maty tao anatin’ny toe-javatra tsy dia mazava loatra ny zazavavy iray. Ny rainy sy ny renikeliny avy hatrany no voalohany ahiahian’ny haino aman-jery sy ny hevitry ny olona amin’ny ankapobeny, saingy mbola andalana ny fanadihadiana ofisialy. Mba mety ve ny mampino mponina mahatratra 160 000 000 heloka famonoana ny zanany vavy alohan’ny fivoahan’ny didim-pitsarana amin’ity raharaha ity? Fa inona daholo ny resaka manodidina sy ambadik’ity raharaha ity ? miresaka momba izany ny tontolom-bolongana breziliana.