Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Etazonia:  Moskea An'i New York Miisa 30 Notsidihana Tao Anatin'ny 30 Andro

(Marihina fa tamin'ny 14 Septambra 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)
aman and bassam

Eo am-pamaranana ny dian'izy ireo tamin'ny fanangonan-tahirinkevitra amin'ny fitsidihana ireo “moskea miisa 30 tao anatin'ny 30 andro” ao amin'ny bilaogin'izy ireo mitondra anarana tahaka izany ihany koa ny zatovolahy roa tao an-tanàndehiben'i New York , Aman Ali sy Bassam Tariq.

Nahasarika ny sain'ny fahitalavitra tao New York  ny fikasan'izy ireo manokana tamin'ny fitsidihana sy ny fakana sary ny ao anatin'ny moskea nandritra ny volana masin'ny Ramadany (izay hifadian'ny Miozolomana sakafo manomboka amin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany) .

Toy izao ny fanombohan'ny bilaogin'izy ireo voalohany tamin'ny 22 Aogositra 2009:

Day 1: The Journey Begins

Tonight my friend Bassam Tariq and I came up with an insanely random idea: What if we prayed at a different mosque every single day for the month of Ramadan? Hence, this Web site was born…

Andro voalohany: Nanomboka Ny Dia

Nahita hevitra kisendrasendra aho sy ny namako Bassam Tariq indray alina: Maninona moa raha mivavaka any amin'ny moskea samihafa isika isan'andro mandritra ny volana Ramadany? Teraka nanomboka teo ity tranonkala ity …

Misy Miozolomana avy amin'ny kolontsaina sy foko samihafa miisa 600.000 eo ho eo ao an-tanàndehiben'i New York araka ny fanadihadiana iray nataon'ny Oniversiten'i Columbia ary fahitalavitra iray ao an-toerana milaza fa manakaiky ny iray tapitrisa ny isan'ny miozolomana ao New York.

Tsy mahazatra ny olona ny mandeha mitsidika ny moskean'ny vondrona hafa, kanefa nilaza i Aman sy Bassam (samy avy any Azia atsimo) fa sady nahazo tsiky izy ireo no noraisina an-tanàndroa tany amin'ireo toerana ireo.

Andro Fahasivy: Masjid Aqsa (Moskea Afrikana Andrefana tao Manhattan)

Today, I decided to stay in my neighborhood and visit Masjid Aqsa. The mosque is a couple of blocks south of my apartment on 116th and Frederick Douglas. The community is predominantly West African. It is said that this area also houses the majority of the Senegalese in New York.

Androany, nanapa-kevitra ny hijanona teto amin'ny manodidina aho ary nitsidika ny Masjid Aqsa.  Lalàna faharoa mianatsimo ny tranoko ny moskea, any amin'ny faha-116 sy Frederick Douglas. Afrikana Tandrefana no vondrom-piarahamonina betsaka ao an-toerana. Voalaza ihany koa fa fonenan'ny Senegaly betsaka indrindra any New York ity faritra ity .

Day 9: Masjid Aqsa (West African mosque on Manhattan)

Similar to other masajid in Manhattan, vendors surrounded the entrance selling everything from Madani Dates to Nike socks. One of the more interesting vendors sold dried fish.

Tahaka ny masajid hafa ao Manhattan, feno mpivarotra entana isankarazany hatramin'ny voankazo daty avy any Madani ka hatramin'ny bà kiraro Nike manodidina ny fidirana. Anisan'ny tamin'ireo mpivarotra nahaliana ny mpivarotra trondro maina iray .

Andro Faha 11: Masjid Al-Hikmah (Moskea Indoneziana any Queens)

I love Indonesian people and their food just as much. To break our fast we had dates and this person in the blue shirt was serving this really good Indonesian soup.

Day 11: Masjid Al-Hikmah (Indonesian mosque in Queens)

Tiako ny vahoaka Indoneziana tahaka ny sakafon'izy ireo ihany koa. Nihinana daty izahay rehefa namarana ny fifadian-kanina  ary nandroso lasopy indoneziana tena natsiro ity lehilahy miakanjo manga ity .

Tsy mora ny mihoatra fizarazarana ara-kolontsaina.

Nilaza ny tao an'eritreriny tamim-pahatsorana i Bassam tamin'ny Andro Faha 12 raha nanao safidy tamin'ny moskea roa tsy lavitra tao Brooklyn izy: ny moskea Bangladeshita sy ny moskea Afrikanina Tandrefana iray.

Mora taminy kokoa ny nisafidy ny moskea Bangladeshita amin'ny maha Aziatika Atsimo azy, saingy nirotsaka tamin'ny fahasahiana bebe kokoa izy noho ny fandrisihan'ny namana iray.

Andro Faha 12: Masjid Tawhid Inc. (Moskea Afrikana Andrefana any Brooklyn)

… Things didn’t seem that awkward in the beginning. In fact, it was only when I started to wonder how the rest of the congregation perceived me that I began to feel uneasy. I felt like a freeloader coming in — barely eating the food offered to me — and then leaving abruptly afterwards . A bad exhibitionist, if you will. Though no one in the masjid might have felt that way, I wonder if anyone asked themselves, “Why didn’t he just go to the Bangladeshi mosque?” Maybe it’s my own insecurities that raise the question.

Masjid

… Tsy dia nahasosotra ny zavatra tsikaritra tamin'ny voalohany. Izany hoe, rehefa nanomboka nanontany tena ny fomba nahitan'ireo mpiangona ahy aho vao nanomboka nahatsapa ho tsy nahazo aina. Nahatsiaro ho toy ny mpanararaotra aho toy ny hoe tonga hihinana ny sakafo izay ho atolotra ahy fotsiny ary lasa tampotampoka avy eo. Toy ny hoe nanindry azy ireo fotsiny . Na dia mety tsy nisy akory aza ny olona tao amin'ny masjid nahatsikaritra izany dia nampanontany tena ahy raha nisy nilaza hoe: “Fa maninona izy raha nandeha tany amin'ny moskea Bangladeshita?” Ny tsy fahatokisako tena manokana angamba no nahatonga ahy nametra-panontaniana toy izany.

Andro Faha 22: Ivontoerana Ara-kolontsaina Islamika Albaney (Nosy Staten)

… The mosque has its own chef that prepared the food, may Allah reward him for his talent.

Albanian mosque food

But the food didn’t compare to our true experience at the mosque. We sat among many of the younger kids in the community just picking their brains a bit about the community…

Albanian Islamic Cultural Center kids
… One thing I really love is seeing younger kids come to mosques because they genuinely enjoy being there, not because they are dragged by their parents. Its kids like these that make me feel good about where the Muslim community as a whole is headed in this country.

… Manana ny mpikarakara ny sakafony manokana  ny moskea , hamaly soa azy noho ny talentany anie i Allah.

Saingy tsinontsinona ny sakafo raha nampitahaina tamin'ny zavatra niainanay tao amin'ny moskea. Nipetraka teo akaikin'ireo ankizy maro tao amin'ny vondrom-piarahamonina izahay mba hanontany azy ireo mikasika ny vondrom-piarahamoniny fotsiny.

… Ny nahita ireo ankizy tonga tao amin'ny moskea tsy noho ny fitarihin'ny ray aman-dreniny fa noho ny fitiavan'izy ireo manokana ny tena nahafinaritra ahy. Ireo ankizy ireo no mahatonga ahy hirehareha amin'ny làlana hizoran'ny vondrom-piarahamonina Miozolomana eto amin'ity firenena ity amin'ny ankapobeny

 

Nifarana ny 19 Septambra 2009 ny Ramadany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.