Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Septambra, 2019

Tantara mikasika ny Foko sy Fiaviana tamin'ny Septambra, 2019

18 Septambra 2019

Matahotra ny handefa ny ankizy hiverina an-tsekoly ao anatin'ny ady mitam-piadiana ireo ray aman-dreny Kameroney

Any Kamerona, nampiasa ny fanaovana ankivy ny sekoly ireo separatista ho adi-varotra. Namono sy naka an-keriny ireo mpampianatra tany amin'ny faritra miteny Anglisy ireo mpiady mba tsy hanokafana indray ny sekoly raha tsy voavaly ny fitakiana.

15 Septambra 2019

Manasongadina ny anjara asan'ny Cambridge Analytica tao anatin'ny fifidianana tany Trinidad & Tobago ny “The Great Hack’ an'ny Netflix

GV Mpisolovava

Mety ho tonga ao Trinidad sy Tobago i Christopher Wylie, ilay mpitoroka ny Cambridge Analytica, mba hiresahana miaraka amin'ny Kaomity Manokana Iraisana mikasika ny tsy fahaiza-mitantana ny fampielezankevitra amin'ny fifidianana- ary koa ireo olona nanakarama ilay orinasa.

Mandranitra Fifanenjanana ara-poko sy fivavahana ny volavolam-pisarahana ao amin'ny Fiangonana Ethiopiana Orthodoksa

Milaza ny Oromo mpitondra fivavahana fa antenain'ny EOTC ny Oromo mpandeha any am-piangonana hivavaka amin'ny fiteny Ge’ez, fiteny litorjikan'ny fiangonana, na Amharika, fitenim-piasana ao amin'ny governemanta federalin'i Ethiopia.

12 Septambra 2019

Olona an-tapitrisany ao Assam avaratra atsinanan'i India atahorana ho very zom-pirenena

Manodidina ny 1,9 tapitrisa eo ireo olona mety hiharan'ny tsy fananana zom-pirenena ao amin'ny fanjakana avaratra atsinanan'i India, Assam rehefa avy nesorina tao amin'ny Rejistra Nasionalin'ny Olom-pirenena (NRC) nohavaozina.

11 Septambra 2019

Mpahay tantara ambava sy arsivista mameno ny fandraketana ny fivakisan'i India tamin'ny taona 1947

Miasa miaraka amin'ireo sisa velona tamin'ny fivakisana taona 1947 ny mpahay tantara mba hahatsiahivan-dry zareo izao nitranga ary mba ho voatandro ny tantaran-dry zareo.

08 Septambra 2019

Manome topimaso ny fiainana ao Japana avy amin'ny fijery vahiny ny “Tokyo Interlopers” (ireo Mpitsofotsofoka ao Tokyo)

Manome topimaso iray feno sy mahazendana mikasika ny fiainana ao amin'ny metrôpôla Japoney ireo tahirin-tsary feno an'ireo Mpitsofotsofoka ao Tokyo amin'ny fijerin'ny vahiny iray