Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Foko sy Fiaviana tamin'ny Novambra, 2012

Espaina: Fifidianana Katalana – “Garcia Avokoa Izahay Rehetra”

  25 Novambra 2012

Mitodi-doha mankany amin'ny biraom-pifidianana indray androany alahady, 25 Novambra 2012 ny any Katalonia izay ao raha mitokozihitra ny eo amin'ny toekarena ary mavaivay ny adihevitra momba ny fisintahana amin'i Espaina. Nanomboka tamin'ny alalan'ny lahatsary mampiady hevitra nivoaka tao amin'ny fantsona Youtube an'ny Antokom-Bahoakan'ny Katalana [es] (Partit Popular de Catalunya na PPC) izay mpitàna ny firaisampirenena ny fampielezan-kevitra, izay nifantoka indrindra tamin'ny adihevitra momba ny fahaleovantena [fr] tamin'ny herinandro lasa teo.

Tohin

Vehivavy Afro-breziliana, Ngita Volo Sy Fahatsiarovantena Mainty

  23 Novambra 2012

“Afaka asarakorako ny volo rehefa handeha hianatra, saingy tsy tiako. Satria lasa maina ary manjary ratsy tarehy be. Ratsy be ny voloko”. Ankizivavy kely no nilaza toy izay tao amin'ny habaka-lahatsary fanadihadiana Raíz Forte [pt:Faka Mafy] mikasika ny vehivavy mainty hoditra Breziliana amin'ny fikarakarany ny volony amin'ny sarangan-taona rehetra. Araka ny...

Tohin

Ny Fikorontanan'ny Nasionalisma Rosiana

Akon  17 Novambra 2012

Tamin'ity taona ity, nanandratra avo ny anarany ny Andron'ny Firaisankina, saingy tamin'ny fomba tsy nampoizina. Tao anatin'ny tanàna 46 manerana an'i Rosia [ru], isany i Mosko, olona teo amin'ny 3 alina teo no nandray anjara tamin'ireo famoriam-bahoaka nataon'ny farany havanana. Na dia ampahany faran'izay kely dia kely amin'ny totalin'isan'ny mponina aza izany, ny Andron'ny Firaisankina nataon'ny vondron'ny farany havanana dia nahasintona mpanohana maro nanerana an'i Rosia

Tohin

Ny Fientanentanana Faran'ny LiveJournal, Miaraka Amin'ny Famelàn'ny Hery Manokana Rosiana

Akon  14 Novambra 2012

Noforonin’olona tsy nitonona anarana ny bilaogy LiveJournal hardingush [ru] tamin’ny 15 Septambra 2012. Mbola tsy nisy roa volana akory izay, ilay bilaogy, mitondra ny lohateny hoe Spetsnaz Ingushetii (Ny tafika manokana Ingush), dia laharana faha-425th[ru] ao amin’ny fandaharana ankapoben’ny mpampiasa LJ. Nametraka tsikera mihoatry ny 4,000 tanatin’ireo lahatsoratra samihafa ao anatiny ireo mpampiasa aterineto. Ny efatra tamin’ireo lahatsoratra ireo dia tafiditra tao amin’ny lisitr’ireo 25 voalohany [ru] amin’ny mpitoraka bilaogy Kaokaziana tavaratra tamin’ny volana Oktobra. Fa iza marina moa no ao ambadik'io bilaogy io?

Tohin

Sarina Tanàna Haolo Jiosy Yemenita

Bilaogera Yemenita Rooj Alwazir (@Rooj129) nizara sary mahavariana nandritra ny fivahiniany tao amin'ny tanàna haolo Jiosy, Beit Baws, izay miorina ambonin'ny tendrombohitra vatolampy, 15 minitra miala ao Sanaa. Tamin'ny diaporama, Alwazir nampiseho sary nandritra ny fitsangatsanganany. Misisika ao anaty fiara fitateram-bahoaka fotsifotsy, nanapa-kevitra ny efatra ambinifolo taminay fa handeha hiaraka hitsangatsangana ary...