Tantara mikasika ny Foko sy Fiaviana tamin'ny Oktobra, 2018
Shina: Voakiana noho ny tsy fahamarinan'ny fitahirizana sary ny BBC
"Mampiasa efijery LCD isika ankehitriny, ahoana no ahafahan'ny sary miaraka amin'ny efijery antitra be ho voasokajy toy ny vaovao? Mihevitra ve izy ireo fa tsy nivoatra mihitsy isika nandritra izay valo taona izay? Tsy afaka mamorona vaovao diso araka ny tokony ho izy tsara akory aza izy ireo!"
Shina: Sary Anehoana ireo Fitsaràna an-tendrony Ara-Kolontsaina sy Ara-poko
Lasa nalaza be ny Shinoa vlogger iray niaraka tamin'ny fangalany tahaka ny firokin'ireo Aziatika manodidina azy sy ny kolontsaina manerana izao tontolo izao. Inona koa moa anefa no mahasamihafa ireo tsy fitoviana ireo amin'ny fitsaràna an-tendrony hitanao tany an-kafa?
Fijoroana Kiorda: Akon'ny herisetra, ny maha-izy sy ny taombaovao
Inona no mahatonga ny vahoaka ho vahoaka? Inona no mamaritra ny vondrona iray: feo iraisana, tantara iraisana, kolontsaina, milina fibilaogina? Tahaka ny Iraniana, mankalaza ny Taombaovao na Newroz isaky ny volana Martsa ny Kiorda.
Iraka-USA : Raed Jarrar no tompon'ny teny farany
resaka fanavakavahana tsy ara-dalàna, niainga fotsiny tamin'ny nitafiany 't-shirt' nisy soratra tamin'ny teny arabo sy ny anaran'ny foko misy azy
Manasongadina ireo tolona sy fandresen'ny teratany ao Papua, Indonezia ny sarimihetsika tsy miankina vaovao iray
Manazava ireo ''olan'ny vahoaka teratany ao Papua amin'ny alalan'ny horonantsary fanadihadiana ary koa hanangana fanentanana ho an'ny daholobe mikasika ireo olana lehibe miantraika amin'izy ireo'' ilay fetiben'ny sarimihetsika.
Japana: Nitsena fanoherana henjana ny fihetsiketsehan'ny ankavanana hiringiriny manerana ny firenena
Nikarakara fihetsiketsehana tao an-tanàn-dehibe manerana an'i Japana tamin'ny Alahady 14 Oktobra ireo vondrona manohitra ny fanavakavahana mba hanakana ireo andiana diabe ataon'ny vondrona mpanavakavaka ankavanana hiringiriny ampahibemaso amin'ny fifindra-monina ao Japana, na dia nampanantena aza ny governemanta Japoney fa handray mpiasa vahiny 500.000 hanampy hiatrika ny tsy fahampian'ny mpiasa.
Ny feon'ny vehivavy Afrikanina tamin'ity herinandro ity
Maneho hevitra momba ny hamaroan'ireo antidahy ao anatin'ny politika sy ao anatin'ny governemantan'i Kenya ny Diary of a Mad Kenyan . Manontany tena amin'ny fomba nisafidianan'ireo lehilahy ntaolo, mpampihatra ny politika ntaolo, an'i John Githongo mba hitantana ny hetsika fanentanana amin'ny fanoherana ny kolikoly izy.
Koety: Tsaroana i Shaikh Saad
Mbola mitomany ny fahafatesan' i Shaikh Saad Al Abdulla Al Sabah, ilay mpitondra azy teo aloha foana ireo Koetiana. Mitondra amintsika ny fanehoankevitr'ireo blaogera Koetiana i Abdullatif AlOmar ao anatin'ity lahatsoratra ity.
Iraka/Arabia Saodita: Adin'ny mpitondra fivavahana
Nanomboka izany rehetra izany rehefa nanafika ny Shiita Irakiana Grand Ayatollah Ali Al-Sistani tamin'ny vavaka Zoma ny mpitondra fivavahana Saodiana Sonita Mohammad al-Ureifi.
Andro faha-2: Hetsika ho an'ny Demokrasia tao Nepal
Mihoatra ny arivo no voasambotra, maro ireo voadaroka, maro no maty, ary nandrahona ny hampihatra lalàna miaramila ny Minisitry ny Atitany, i Kamal Thapa.