· Desambra, 2011

Tantara mikasika ny Foko sy Fiaviana tamin'ny Desambra, 2011

Chile : Raha Mpanampy Ianao, Avaho Ny Tenanao

  29 Desambra 2011

Fanakavahana ara-tsokajy sa lalàna tsotra mifehy ny klioba tsy miankina iray? Ny fitsipiky ny kliobanà "golf" iray izay mandràra ireo mpanampy na mpitaiza zaza tsy hiditra anaty dobo filomanosana sy manery azy ireo hanao aron'akanjo mba hahafahana manavaka azy ireo dia nahatonga fanehoan-kevitra maro tao amin'ny tontolon'ny Cyber ao Chili.

Koety: Olona Tsy Manana Zom-pirenena Tafihana Noho Ny Fitakiany Ny Zony

Fisamborana, daroka ary tsindry atrehan'ireo mpanao hetsi-panoherana mitaky ny zony, efa ho olona 100,000 mahery tsy manana zom-pirenena monina ao Koety,miady ny mba hananany antontan-taratasy momba azy, fanabeazana, fikarakarana ara-pahasalamana, asa fivelomana, ary ny tena manan-danja indrindra dia ny fandraisana ho olom-pirenena. Mona Kareem dia mijery ireo hetsi-panoherana tato anatin'ny andro vitsy tao Koety sy ny famoretana ataon'ny polisy nanaraka izany.

Tontolo Arabo Mamaly An'i Gingrich: “Raha Vahoaka Noforomporonina Fotsiny Ny Palestiniana, Ny Amerikana Izany …”

Vahoaka "noforomporonina" ny Palestiniana, izay te-hamotika an'i Israely, hoy ny mpirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena Amerikana Newt Gingrich. Ny fanamarihany, tao anaty tafatafa niarahana tamin'ny fantsom-pahitalavitra Jiosy, dia niteraka hatezerana sy rikoriko teo amin'ireo mpiondana aterineto manerana ny tontolo Arabo.