Tantara mikasika ny Foko sy Fiaviana tamin'ny Janoary, 2019
Efa antitra, kabarim-pankahalana, fahalalahan'ny gazety: lohahevitra goavana resahana amin'ny fifidianana filoham-pirenena 2019 ao Nizeria
Hanatontosa fifidianana ho filoham-pirenena i Nizeria amin'ny 16 Febroary 2019, ary mitodika amin'izany fifidianana izany ny maso rehetra amin'ny maha-fisedrana hanaporofoana ny tanjaky ny demokrasia, ny fenitra, ny soatoavina sy ny firaisankina ao Nizeria.
2018 manerana an'i Afrika atsimon'i Sahara: Ireo tantaran'ny fiovana sy ny fanovana nankafizinay indrindra
Taorian'ny volana maromaro nanaovana fanerena tamin'ny fitondrana tao Afrika Atsimo sy i Ethiopia, dia nametra-pialàna ny filoham-panjakana Jacob Zuma sy Hailemariam Desalegn. Niteraka fanantenana mankany amin'ny fanovana demaokratika ao amin'ny firenena Afrikana maro misy mpitondra mpanao ampihimambam-pahefana ny fianjeran'i Zuma sy Desalegn.
Ejipta: Libaney iray any Ejipta – Avy amin'ny Fibodoana mankany amin'ny Fanafahana
Indray andro, nahatsiaro ho afa-baraka izy, ary ny andro taorian'izay, nahatsiaro ho afaka. Izany no tantaran'i Layal El Katib, bilaogera Libaney iray nipetraka tany Ejipta nandritra ny fotoana naharitra, nentin'i Tarek Amr ho antsika.
Taonan'ny tolona ara-politika sy fanehoana firaisankina tsy nampoizina tao Amerika Latina
Fifidianana, fifindramonina, fanohanan'ny fiarahamonina sy ny tolona ara-tsosialy. Fanamby atrehin'ny Amerika Latina sy ny vahoakany.
Korea Atsimo : Ny fiasan'ilay teoria hoe misy fiantraikany amin'ny maha-izy ny tsirairay ny sokajin-dràny
Lazain'ny toerian'ny fiantraikan'ny sokajin-drà amin'ny maha-izy ny tsirairay fa hoe azo aminaniana mialoha ny maha-izy ny olona sy ny fahaizany mifangaro amin'ny hafa ny sokajy misy azy Ao Japàna sy Korea Atsimo no tena malaza be io finoana io. Idiran'i Yoo Eun Lee lalina ny momba ny tantaran'ity teoria ity.
Kolombia: Mamoaka Olontsotra Mpanao Gazety Mampiasa Haino Amanjery Maro ny Fifaninana Iray
Fifaninanana natao ho an'ny rehetra, na inona na inona zompirenena zakainy, mba hanoratra, hampiseho sy hamorona votoaty milaza amin'izao tontolo izao ny momba anà toerana iray miavaka ao Kolombia tsy ho fantatry ny besinimaro amin'ny andavanandro. Hita anatin'ity lahatsoratra ity ireo ohatra avy ao Chocó sy Antioquia.
Mijery ny mari-panondroana Indo miaraka amin'ilay mpaka sary Holandey, Ello
Ny Indo dia olona manana fototra Indoneziana sy Eoropeana (indrindra indrindra ny Holandey). Manodidina ny roa tapitrisa ireo Indo monina any Holandy, firenena iray izay nanjanaka an'i Indonezia ny taona 1600 hatramin'ny 1945. Misy ihany koa ireo Indo any amin'ny firenena hafa toa an'i Aostralia, Etazonia, ary ny maro hafa.
Natao fisavana manokana tao amin'ny tranombarotra serba goavana iray, niampanga ilay fivarotana ho mpanavakavaka ity Roma mpihira opera ity
Nirehitra ny tambajotra sosialy Serba rehefa nampangain'i Nataša Tasić Knežević, mpihira opera sady superstar malaza, Roma fiaviana, ho mpanavakavaka ny tranombarotra iray goavana tao an-tanànan'i Novi Sad, tamin'ny fandefasana lahatsary mivantana tao amin'ny facebook.