· Septambra, 2018

Tantara mikasika ny Foko sy Fiaviana tamin'ny Septambra, 2018

Azerbaijan: Bilaogy ara-tsakafo

 Manadihady an'i Farida Sadikhova Buyuran, bilaogera ao ambadiky ny AZ Cookbook i Leyla's Room. Manoratra momba ny nahandro, ny tontolo sy sarin'ny sakafo nentim-paharazana Azeri ary nahandro hafa koa izy, mampiseho ny antsipirihan'ny fitiavan'i Farida ny sakafo sy ny fikarakarana sakafo ary koa ny famoaham-boky atsy ho atsy ny fanadihadiana.

15 Septambra 2018

Madagasikara – Frantsa: Miteraka Ahiahy Amin'ny Jadon'ny Governemanta Ny Fandroahana Ireo Teratany Frantsay Anankiroa

Teratany frantsay anankiroa, Christian Chadefaux sy mompera Urfer, nipetraka teto Madagasikara efa am-polo taona maro no namoahan'ny governemanta malagasy didy tamin'iny volana lasa iny (may 2007) fa olona tsy iriana honina eto Madagasikara. Andro vitsy monja taorian'ny nahalany an'i Nicolas Sarkozy ho filohan'i Frantsa izay nanao ho laharam-pahamehana ny fandroahana ireo mpifindramonina tsy ara-dalàna io fanapahankevitra io. Fifanandrifian-javatra ve ? Manome ny heviny ireo malagasy mpitoraka bilaogy .

09 Septambra 2018

Torkia am-pitendrena milina: Ny vono olona tao Malatya

Olon-doza vitsivitsy no nankany amin'ny mpanonta baiboly ao an-tanànan'i Malatya, Torkia indray andro. Nahita olona telo tsy manan-tsiny izy ireo: misiônera Kristiana roa sy mpiasa iray. Nofatoran'ireo olon-dratsy ny tanana sy ny tongotr'ireo olona telo ireo no sady nampijaliana, ary avy eo notapahana ny tenda.

06 Septambra 2018

Azia Atsimo: DST, Mpiasan'ny MR-9, Rallye SAARC, fomba amam-panao Tshechu, Fanao ara-tsaranga, Fitondrana fiara ary ny hosoka

Lohahevitra maro samihafa no iadin-kevitra ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Azia Atsimo. Ny mety ho korontana amin'ny fananganana ny Daylight Saving Time, ny valintenin'i Bangladesh tamin'ny 007, ny hazakazaka fiara hanatsarana ny fifandraisana mivantana amin'ny olona, ny saranga, ny fivavahana ary ny fombafomba sy ny maro hafa.

05 Septambra 2018