Tantara mikasika ny Foko sy Fiaviana tamin'ny Septambra, 2010
Ny sisintany tsy hita maso eo anelanelan'i Ekoatora sy Kolombia
Olana maha-be resaka indray izao ny sisintany eo amin'i Ekoatora sy Kolombia. Ny firenena roa tonta dia manana sisintany mahatratra 586 km (tokotokony ho 365 miles) ary miaraka amin'izay koa ny tantaran'ny fifandirana, ny fifanamelohana avy amin'ny andaniny na ny ankilany sy ny tatitra momba ny fifandonana ara-tafika ary ny famindran-toerana ny mponina.
Aostralia: Adihevitra momba ny fiakanjo Silamo
Nangatahan'ny ben'ny tanàna ny mponina any ambanivohitr' i Melbourne any Aostralia mba hanao akanjo manarona ny vatany mandritra ny lanonana ao amin'ny dobo filomanosana mba tsy hanohinana ny Silamo. Niteraka adihevitra tamin'ny aterineto izany baiko izany
Egipta: Mitohy ny resa-pady momba ny mpivarotena sy ny setrasetran-dehilahy

Namoaka lahatsoratra maromaro momba ny lohahevitra fady eo amin'ny fiaraha-monina Egyptiana ny mpitoraka blaogy vaovao, ho an'ny tetikasa “Manadihady ny fady” any le Caire. Mahakasika ireo mpivarotena sy ny setrasetra...
Isiraely: Noporofoin'ny manampahaizana Isiraeliana fa “sarotra ho an'ny ati-doha” ny teny Arabo
Nanambara ny fanadihadiana vao haingana fa nahita porofo amin'ny vinavinany amin'ny hoe sarotra kokoa ho an'ny atidoha ny mamaky ny teny Arabo noho ny mamaky ny teny Hebreo na ny teny Anglisy. Mitondra ho antsika ireo fihetseham-pon'ireo mponina amin'ny aterineto mikasika izany i Gabriel Nada
Malezia: Fanafihana nitranga nohon'ny fanavakavaham-bolon-koditra tamin'ny Andro fitsingerenan'ny nahazoana ny fahaleovantena
Tamin'ny takarivan'ny Andro fitsingeren'ny nahazoan'i Malezia ny fahaleovantenany dia nisy tantara iray notaterina tao amin'ny Facebook momba ny fanafihana nitranga nataon'ny tanora maro nohon'ny resaka fanavakavaham-bolon-koditra. Ireto manaraka ireto ary ny sombitsombiny amin'ny fomba fijery sy fisainan'ny Malezia mikasika izany fanavakavaham-bolon-koditra ao Malezia ankehitriny izany.
Ireo olona teratany sy ireo toeram-pitrandrahana any Kanada
Ny vondrom-piarahamonina vazimba teratany any Amerika Avaratra dia mizara olana maro mitovy amin'ireo olom-pirenena any amin'ny tontolo an-dàlam-pivoarana. Misy mandrakariva ny fahantràna na dia manan-karena foana aza ireo tanin-dry zareo amin'ny harena an-kibon'ny tany. Mitatitra ny fifandirana farany momba ny harena ara-kibon'ny tany ireo mpitoraka blaogy
Etazonia: Naverina nodinihana indray ny fanambarana mikasika ny zon'ny vazimba
Niverina nandinika indray ny governemanta Amerikana ary mangataka ny fandraisan'anjaran'ny vahoaka mikasika ny Fanambaran'ny Firenena Mikambana mikasika ny Vahoaka Vazimba taorian'ny nandavany izany tamin'ny taona 2007.
Ghana: Italiana ve i Mario Balotelli sa Ghaneana ?
Italiana ve i Mario Balotelli sa Ganeana? Izany no fanontaniana mipetraka nahatonga adihevitra mafana amin'ny aterineto . Mpilalao baolina kitra mpamono baolina milalao ho an'ny tanànan'i Manchester i Mario Barwuah Balotelli ary ao amin'ny ekipam-pirenena Italiana. Nateraky ny mpifindra monina Ganeana tany Italie izy