Tantara mikasika ny Filazana tamin'ny Oktobra, 2018
Fianianana Global Voices 0.2
Namoaka dika tsy ovaina an'ilay Teny Ierana Global Voices i SJ, izay novaina anarana ho Fianianana Global Voices (dika 0.2).
Fampahafantarana ny bilaogy ao Zaghouan, Tonizia
Tamin'ny fihaonan'ny bilaogera Toniziana isam-bolana, iray amin'ireo lohahevitra miseho hatrany ny hoe inona no azontsika atao mba hanapariahana bebe kokoa ny bilaogy any Tonizia ary hahazo olona maro manoratra sy mizara anaty aterineto.
Kaomity Hiarovana Ireo Bilaogera
Nanangana watchblog vaovao i Curt Hopkins, dia ny "Committee to Protect Bloggers".
Nisy ny fizarana T-shirt tamin'ny fanandramana ny tranonkalanay
Nanampy anay tamin'ny andrana fampiasana ny tranonkalay vaovao sy tranainy ny mpianatra avy ao amin'ny Oniversiten'i Washington.
Fanamarihana ho an'ireo mpiserasera any ankoatran'ny aroafon'ny Mpamatsy Tolotra Aterineto
Mampahafantatra antsika ny namantsika Isaac Mao fa mety tsy azo idiran'ireo mpiserasera ao Shina ny anaran-tsehatra http://globalvoicesonline.org. Toa miasa ao Shina ny adiresinay ao Harvard - http://cyber.law.harvard.edu/globalvoices
Jeff Ooi, Mpampita an-drano mahavariana
Nanambara ny bilaoginy vaovao amin'ny teny Shinoa, 摆渡人 (amin'ny teny Anglisy: "The Ferryman" na "ilay mpampita an-drano") i Jeff Ooi androany, azo antoka fa bilaogy amin'ny teny Shinoa voalohany ao Malezia
Vovonana GV tao Delhi: ny fiteny sy ny fandikan-teny
Soso-kevitra roa izay nahazo tehaka mirefotra sy fientanam-po: - mitady fomba hanomezana valisoa ho an'ireo mpandika teny an-tsitrapo, angamba amin'ny dolara Amazon Rewards na vola hafa - mamela ny olona hanome ny vaki-tenin'izy ireo amin'ny lahatsoratra GV amin'ny fandikàna avy amin'ny rohy ao amin'ny tranonkala.
Fampilaharana ireo Bilaogy Mpampifandray
Ao India atsimo aho amin'ity herinandro ity (ivelan'i Bangalore ihany), manatrika ny fihaonambe AsiaSource, fivorian'ireo ONG matihanina momba ny teknolojia avy ao Azia manodidina, izay mianatra ny fomba hanovana ny fikambanan'izy ireo ho sehatra loharanom-baovao misokatra.
Fandikan-teny, sy rohy (URL) vaovao
Azo jerena amin'ny tenim-pirenena maro ankehitriny ny teny ierana Global Voices - fanambarana ny fitsipika sy ny finoantsika fototra, niaraha-nanoratra tamin'ireo olona maro izay nanatevin-daharana antsika tamin'ny fihaonamben'ny Global Voices voalohany tamin'ny Desambra 2004.
Ampio izahay hanapa-kevitra izay ho atao fanadihadiana!
Feon'iza no irianao ho re ao amin'ny tranonkala Global Voices? Ampio izahay hanapa-kevitra izay ho atao fanadihadiana voalohany amin'ny fametrahana izay tianao eo amin'ny zoro fanehoan-kevitra.