Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Filazana tamin'ny Oktobra, 2018

Drafitra faharoa momba ny toro-lalana fibilaogina miafina anarana

Raha liana amin'ny lohahevitra bilaogy tsy mitonona anarana ianao, dia tsidiho azafady ny toro-lalana ary manampia amin'ny fanatsarana izany.

Mibilaogy Ho An'ny Antony Ara-Tsosialy

Efa ato anatintsika hatramin'ny nahaterahana ny finiavana ny hanampy ny hafa, na dia tsy ataontsika laharampahamenana aza izany indraindray. Na izany aza, misy ireo olona mampiasa an'ny bilaogy mba hamahana olana ara-tsosialy mitranga eo amin'ny fiarahamoniny.

Fanangonan-tsonia ho famotsorana an'i Hao Wu, tonian-dahatsoratry Global Voices, alefa any amin'ny filoha Hu Jintao

Maro ireo mpamaky ny Global Voices no nanontany izay azon'izy ireo atao mba hanafainganana ny famotsorana ny namantsika sady mpiara-miasa amintsika Hao Wu gadraina ao Beijing. An-jatony aminareo no nametraka famantarana ao amin'ny bilaoginareo sy tranonkalareo mba hisarika ny saina manoloana ny fanagadrana an'i Hao Wu... (2006)

Endrika vaovao ao amin'ny tondro bridgeblog

Vao haingana aho no nampahafantarina ny hevitra  "mpamboly ny wiki ", ireo olona izay mikarakara ny wikis, manafoana ny spam, manamboatra ny format sy ny fitsipi-pitenenana, ary amin'ny ankapobeny manadio ny toerana.

Manambara ny fiarahantsika amin'ny Reuters

Faly izahay manambara ny fifamatorana misy eo amin'ny Global Voices sy ny orinasam-pampitam-baovao iraisam-pirenena, Reuters. Nanohana ny Global Voices hatramin'ny faran'ny taona lasa teo ny Reuters, raha nampiantrano ny fihaonantsika isan-taona tao amin'ny foiben-toerany maneran-tany ao Canary Wharf any Londra.

Mampahafantatra ny Tale mpanatanteraka, Ivan Sigal ny Global Voices

Faly izahay manambara fa nanatevin-daharana ny Global Voices ho Tale Mpanatanteraka i Ivan Sigal. Tonga eto amintsika i Ivan avy ao amin'ny Ivon-toerana Amerikanina momba ny Fandriampahalemana , toerana izay nanaovany fikarohana momba ny fampahalalam-baovaon'olo-tsotra tao amin'ireo faritra an'ady manerantany.

Miverina indray ny fandraketam-peo Global Voices iTunes! (2007)

Jereo ny fandraketam-peo Global Voices iTunes fa efa tafaverina indray!