Tantara mikasika ny Filazana tamin'ny Novambra, 2013
Miaraka Aminay Eny Foana Ny Aterineto N'aiza N'aiza Alehanay
Vao nampahafantarina vao haingana ny fitaovana fisintonana ny onjan'ny zanabolana, ka ny Rising Voices no ho afaka hitondra ny aterineto any amin'ny faritra maro, izay tsy dia ahitàna na tsy misy fomba ahazoana aterineto, ka manokatra làlana sy fahafahana vaovao hampianatra sy hizara ao amin'ny aterineto izany.
Global Voices Miasa Miaraka Amin'ny Fundación MEPI
Ny Fundación MEPI dia fikambanana mampiroborobo ny fanaovan-gazety tia famotopotorana ao Amerika Afovoany. Hamoaka tsy tapaka ihany koa ny tantara avy amin-dry zareo ny Global Voices, hitondrany anao amin'ny tati-baovao lalindalina kokoa momba ny faritra.
Global Voices Meetup Any Skopje, Makedonia
Hotontosaina amin'ny 30 novambra ho avy izao ao Skopje, Makedonia ny Global Voices Meetup manaraka. Miangavy anao miaraha aminay amin'io fivoriana io handrafitra ny hoavin'ny fikambanana GV Makedoniana
Thuraya IP+ Terminal Sy Global Voices Natolotra Niaraka Tao Amin'ny News Xchange
Ho fankasitrahana ny asa mahafatra-po fitrandraha-baovao eny an-kianja iarahany amin'ny median'olon-tsotra ety anaty aterineto, notolorana fitaovana iray matanjaka be mampiasa aterineto mandalo satelita ny Global Voices nandritra ny kaonferansa isan-taonan'ny Eurovision.
Fihaonan'ny Global Voices any Cairo, Ejipta
Kasaina hatao ny 16 Novambra ho avy izao any Kairo, Ejipta, ny Fihaonana ataon'ny Global Voices. Miangavy anao hanatevina ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonin'ny GV ho an'ity fihaonana manokana ity.
Fihaonana Miaraka Amin'ny Global Voices!
Mandritra ny volana Novambra sy Desambra, mikarakara "fihaonana" enina mivantana izahay izay tantanina sy entanin'ireo mpikambana ao amin'ny Global Voices