· Oktobra, 2011

Tantara mikasika ny Filazana tamin'ny Oktobra, 2011

Global Voices Rosiana Miara-miasa Amin'ny Neweurasia.net

  30 Oktobra 2011

Faly izahay mampilaza ny fiaraha-miasa ny  Global Voices  Rosiana miaraka amin'ny Neweurasia.net, iray amin'ireo sehatry ny valantserasera lehibe indrindra ao Azia Afovoany, izay manana mpihaino Anglisy sy Rosiana marobe. Miompana manokana amin'ny vaovao sy fanadihadiana nataon'ny tanora avy ao an-toerana ny Neweurasia. Manazava bebe kokoa ny vaovao tsy voatantara tsara ny...

Okraina: Bilaogera Maneho Hevitra Momba Ny Fitànana Mafàna Fo Iray

Rising Voices  09 Oktobra 2011

Tany amin'ny tapaky ny volana Aogositra tany, Nampikorontan-tsaina ireo bilaogera Okrainiana ny nisamborana an'i Irina Teplinskaya, ilay Rosiana mafàna fo amin'ny fampihenàna ny fiantraikan'ny zavamahadomelina, nampangaina ho mpanondrana an-tsokosoko zava-mahadomelina rehefa niverina avy nanaraka fitsaboana tany Okraina. Toa efa nafahana tany am-ponja i Irina ary nesorina daholo ireo vesatra rehatra nitànana azy.

Fihaonan'ny Bilaogera ao Tonizia Andian'ny Fahatelo

Nisokatra tamin'ny Alatsinainy 3 oktobra tao Tonizia ny Fihaonana fahatelo ny bilaogera arabo, valandresaka no nisantarana izany. Niara-nikarakara ity fihaonana ity ny Global Voices, Nawaat sy ny fikambanana Heinrich Böll ; teo amin'ny bilaogera an-jatony teo izay saiky avy amin'ny firenena Arabo no nandray anjara tamin'izany. Mazava ho azy, fa voatantara betsaka tamin'ny...

Fiaraha-miasa Vaovao Eo Amin'ny Global Voices sy El Colombiano

  02 Oktobra 2011

Nahazo fifanekena fiaraha-miasa vaovao miaraka amin'ny fampahalalam-baovao hafa, gazety El Colombiano [ny Kolombiana] ny Global Voices amin'ny teny espanola, gazety voalohany mpivoaka isan'andro ao an-tanàna mavitrika Medellín, fiaraha-miasa ahafahan'ny mpamaky ny gazety mahita ny  votoatin'ny  Global Voices amin'ny alalan'ny bilaogy noforonina manokana amin'izany amin'ny EC-Blogger ao amin'ny tranonkala El Colombiano. Antsoina fotsiny hoe Global Voices ny...