Fandikan-teny, sy rohy (URL) vaovao

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jiona 2005)

Azo jerena amin'ny tenim-pirenena maro ankehitriny ny teny ierana Global Voices – fanambarana ny fitsipika sy ny finoanay fototra, niaraha-nanoratra tamin'ireo olona maro izay nanatevin-daharana anay tamin'ny fihaonamben'ny Global Voices voalohany tamin'ny Desambra 2004: Arabo, Alemana, Anglisy, Espaniola, Finlandey, Frantsay, Italiana, Japoney, Portiogey, Swahili,  ary koa amin'ny teny “Anglisy notsorina” nohatsaraina ho an'ny milina mpandikanteny. Raha liana hanampy amin'ny fandikana ny teny ierana amin'ny fiteny fanampiny ianao, dia aza misalasala miditra ao amin'ny wiki. Raha mbola tsy niasa tamin'ny fandikan-teny wiki ianao taloha dia azonao atao ny mijery ny pejin'ny fandikana Wikipedia. Mety hoe te-hifandray amin'ny Global Voices wiki maven SJ ihany koa ianao, izay efa nanampy tamin'ny fikarakarana ny fandikan-teny – sjklein AT hcs DOT harvard DOT edu.

Amin'ny fanamarihana hafa, [manana rohy URL vaovao izahay ho an'ny Global Voices – azonao atao ankehitriny ny miditra ao amin'ny pejinay voalohany www.globalvoicesonline.org na www.globalvoicesonline.com. Tsy mila manova ny tsoratadidy ianao, satria tsy manalavitra ny adiresy harvard.edu misy anay izahay – fa ampio an'ity adiresy vaovao ity raha mety aminao.] Efa fantatsika fa amin'ny globalvoices.org no ahitana ny tranonkala na miampy ny famantarana ny teny [mg.] ho an'ny malagasy eo alohan'io raha hitady ny amin'ny teny malagasy ianao.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.