· Septambra, 2017

Tantara mikasika ny Filazana tamin'ny Septambra, 2017

Maro Amin'ireo Fanadihadiana Maro No Manasongadina Ny Global Voices

  14 Septambra 2017

Namoaka fanadihadiana fohy mahafinaritra, mitondra ny lohateny hoe "Maro Amin'ny Maro - Fampitam-baovaom-bahoaka sy ny Tontolon'ny Bilaogy" i Martin Lucas sy ny Ivontoerana ho an'ny Media Sosialy. Manolotra ny fanazavana fohy momba ny ezaka vaovao izay mampifandray ny famahanana bilaogy amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra ny horonantsary maharitra roa ambinifolo minitra. Nasongadina niaraka tamin'ireo ezaka mampientanentana tahaka ny Radio Open Source an'i Chris Lydon sy ny POV Borders an'ny PBS ny Global Voices. 

Ry Tontolo, Ndeha Hihaona amin'i Afrika! Fomba Iray Vaovao Hitantarana Ny Tanibe

  06 Septambra 2017

Mahakivy matetika ny mamaky ireo fitantaràna an'i Afrika any anaty media mahazatra. Amin'ny lafiny roa, raha ny marina. Voalohany indrindra, izay faritana ho mendritra hanaovana tatitra, dia tena mahakivy. Faharoa manaraka izany, satria tsy dia mirona loatra amin'ny tena zava-misy sarotra sy manetsiketsika ao amin'ilay tanibe, amin'ny fidadasiky ny fahasamihafana rehetra misy ao aminy, fa aleony miresaka an'ireo fitsaratsaram-poana tsotsotra fotsiny.