· Novambra, 2018

Tantara mikasika ny Filazana tamin'ny Novambra, 2018

Mitady Mpiandraikitra Sora-miafina Tsy Miasa Mandritra Ny Andro Iray Manontolo ny Global Voices

  20 Novambra 2018

Ho entina milaza aminao mpamaky fa vondrompiarahamonina midadasika misokatra amin'ny rehetra ny GV , dia nitady mpanamboatra sy mpiandraikitry ny sora-miafina (tamin'ny 2013) amin'ny tranonkala izay tsy miasa mandritra ny andro iray manontolo ny Global Voices mba hanampy amin'ny fitazonana sy fanavaozana ireo WordPress sy tranonkalanay mifototra amin'ny LAMP, hiara-miasa akaiky amin'ny mpiandraikitra voalohany ny sora-miafina ato aminay.

Global Voices tao amin'ny Tambajotra Omidyar

  17 Novambra 2018

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Napetraka ny fangatahana ho an'ny vondrona ao amin'ny tambajotra Omidyar. Nasaina hitsidika izany ny mpikambana raha mbola tsy tao anatin'izany. Vondrom-piarahamonina tena mahaliana mifototra amin'ny rafitra wiki/bilaogy manana rafitra malaza tena mahaliana izy io. Fifangaroana mpikambana mahaliana tsy toy...

Mandefa Antso Ho An'ireo Tolotra Fanampiana Ara-Bola Madinika ny Rising Voices Mba Hivelaran'ny Haino Aman-jerin'Olontsotra

  06 Novambra 2018

Manaiky fangatahana tetikasa ho an'ny fanohanana ara-bola tonga hatramin'ny 5.000$ ho an'ny tetikasa fampivelarana ny haino aman-jery vaovao ny Rising Voices, sampana fampiroboroboana ao amin'ny Global Voices. Ireo kandidà idealy dia hanome tolotra mitondra zavabaovao ary amin'ny antsipirihany mba hampianarana ireo teknikan'ny haino aman-jerin'olontsotra any amin'ireo vondrompiarahamonina ratsy toerana, mba hahitàny sy hitrandrahany ireo fitaovana toy ny fanoratana bilaogy, fanaovana bilaogin-dahatsary, ary ny podcasting (fandefasana rakipeo) avy amin'ny herin'ny tenany manokana