Tantara mikasika ny Filazana tamin'ny Febroary, 2022
Mitady Mpanoratra Tetikasa ho an'ny tetikasam-pikarohana andraisan'ny maro anjara ny Global Voices
Ny Rising Voices dia mitady mpanoratra hizaka tetikasam-pikarohana momba ny filàna ara-piarovana sy lavi-doza ankihy (nomerika) ny vondrom-piarahamonin'ny fiteny manerantany.
Mitady tonian-dahatsoratra hitarika ny fitantarana any Eoropa Atsinanana ny Global Voices
Mpanoratra sady tonian-dahatsoratra mahafantatra tsara sady liana momba ny lafin-javatra rehetra ao Belarosia, Moldavia, Rosia ary Okraina ve ianao? Mampientanentana anao ve ny mandrafitra hevitra ho tantara, lahatsoratra amin'ny tambajotra sosialy, ary mamoaka lahatsoratra hafa miaraka amin'ny vondrom-piarahamonina isankarazany? Raha “eny” ny valinteninao amin'ireo fanontaniana etsy ambony ireo, dia mety...
Mitady mpitarika tetikasa Lingua ny Global Voices mba hitantana ny tetikasa sy ny vondrom-piarahamonin'ny fandikan-teny
Mitady mpitarika ho an'ny tetikasa Lingua izahay mba hitarika ny ekipan'ny fandika-teny, hiantoka fa misy amin'ny fiteny maro ny asanay ary miaro ny fahamaroan-teny amin'ny aterineto.