Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Desambra, 2009

Tantara mikasika ny Filazana tamin'ny Desambra, 2009

31 Desambra 2009

Mila ny fanohananao ny Global Voices

Ry Mpamaky Global Voices Hajaina, Te-hiangavy anareo izahay hanohana ny asanay ara-bola amin'ity taona 2010 ity. Raha nanaraka ny asan'ny vohikala Global Voices, Global Voices Advocacy ary ny Rising Voices ianao, na ireo vohikalam-pandikan-teny 17 mavitrika amin'izao fotoana izao, dia hahamarika ny ezaka lehibe tsy mampino sy ny karazam-mpomba fijery...

Miara-miasa amin'ny Google ny Global Voices ho an'ny fifaninanana fahalalàhana maneho hevitra

Misokatra androany (29 Desambra 2009) ny fisoratanana anarana ho an'ny fifaninanana Breaking Borders, fifaninanana vaovao noforonin'ny Google sy Global Voices mba hanomezam-boninahitra ireo tetik'asa malaza amin'ny tanterahin'ireo olon-tsotra na vondrona mampiseho herim-po, tanjaka ary fiketrehana amin'ny fampiasàna aterineto mba hampielezana ny fahalalàhana miteny.