Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Fihaonan'ny Global Voices any Cairo, Ejipta

gv-meetup-logo-gvmeetup-400Faly izahay mampandre fa ny Fihaonana ataon'ny Global Voices dia ho tanterahina any Kairo, Ejipta, mandritra ny fanaovana atrikasa, ny 16 Novambra izao izay hanomboka amin'ny 11 antoandro ka hatramin'ny 3ora hariva.

Araka ny mahazatra, nanana vondrom-piarahamonina iray matanjaka ahitana mpanoratra,  mpandikateny, ary tonian-dahatsoratra, izay monina manodidina ny faritry ny renivohitra Kairo ny Global Voices. Mifandray aminà karazanà mediam-bahoaka, teknolojia, ary tetikasa fanaovan-gazety sy hetsika midadasika be ireo mpikambana ao anatin'io vondrom-piarahamonina io, sady azo ampiasaina ho toy ny loharano sarobidy ho an'ireo hafa liana havitrika kokoa amin'io sehatra iray io.

Ankoatr'izay, tamin'ny taona 2010, nikarakara fifaninanana iray ho famatsiam-bola bitika  natokana ho an'ireo tetikasa fampivoarana ny mediam-bahoaka any Ejipta ny Rising Voices. Nivoaka avy amin'io, namatsy vola sy nanohana ireto tetikasa telo ireto izahay: ny Nazra, ireo vehivavin'i  Minya Isan'andro Isan'andro, ary ny Bilaogin'ireo Angano Mokattam.

Hampiray ireo mpikambana ao amin'io vondrom-piarahamonina io hizara ireo traikefany sy hanamora ireo fifandraisana amin'ny hafa izay mizara fahalinana na asa mitovy, io Fihaonana io. Nampiantranoanà mpikambana roa anatin'io vondrom-piarahamonina io, Mohamed El Gohary (@ircpresident) sy Tarek Amr (@gr33ndata), ary koa ireo mpikambana hafa mpirotsaka an-tsitrapo avy ao amin'ny GV, io fihaonana io, izay hifantoka amin'ny:

  • Fanomezana topimaso amin'ny asa ataonay ao anatin'ny Global Voices, isan'izany ny Rising Voices, ny Advox, ary ny Lingua
  • Fizarana fomba ahafahan'ny vondrom-piarahamonina midadasika hifandray amin'ny Global Voices
  • Famfifandraisana ireo hetsika ho anaty tambajotra mba hahafahan'ireo mpandray anjara mizara fampahalalana mikasika ireo tetikasa dizitaliny manokana na hevitra ho anà tetikasa
  • Fampitomboana ny fampiasana ny media sosialy eo amin'ny asany, mifototra amin'ireo traikefan'ny mpanatrika hafa

Raha liana ny handray anjara ianao, miangavy anao hameno ity ny taratasy fisoratana anarana manaraka ity, ary hanome fampahalalana bebe kokoa ho anao ireo ekipanay, isan'izany ny adiresy mazavan'ny Fihaonana. Misokatra ho an'ny rehetra ny hetsika, saingy mila misoratra anarana mialoha ireo mpandray anjara.

Raha mila fanazavana fanampiny, manorata amin'ny : rising [at] globalvoicesonline.org

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.