Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Janoary, 2019
Syria: Voasazy higadra telo taona any am-ponja ilay bilaogera Kareem Arbaji
Ny 13 Septambra 2009, nosazian'ny Fitsarana Ambony misahana ny Fiarovam-pirenena Syriana higadra telo taona an-tranomaizina ilay tanora bilaogera Kareem Arbaji noho ny "famoahana vaovao diso mety hamparefo ny fitondrantenan'ny firenena", araka ny andininy faha # 286 amin'ny fehezan-dalàna famaizana Syriana.
Macau: Fibahanana ara-politika
Nahita ireo mpiserasera aterineto avy any Macau fa namelona ny rafitra fanivanana miankina amin'ny voambolana lehibe ny sehatra fifanakalozan-kevitra lehibe indrindra ao Macau, cyberctm ary nanaisotra ny teny hoe "Lehiben'ny mpanatanteraka" sy ny solony "Lehiben'ny Mpangalatra"
Shina: Hetsika antserasera manohitra ny CNNIC
Nametraka tranonkala fanoherana antsoina hoe FuckCNNIC ny vondrona webmasters mba hanoherana ny politika vao haingana izay mandràra ny olona tsy hisoratra anarana aminny anaran-tsehatra CN.
Bilaogera Ejipsiana nampandoavana onitra goavana noho ny fitantarana ny loto ara-tontolo iainana
Voasazy omaly ilay bilaogera Ejypsiana Tamer Mabrouk, tsy voasazy higadra any am-ponja fa voasazy handoa onitra L.E. 2500 (446 dolara Amerikana, ary fanarenana sivily L.E. 40.000 (7272 dolara). Nohamifisin'ny Fitsarana Ambony any Port Said (Lakan-drano Suez) ny fanapaha-kevitra hanasazy ny bilaogy Al-Hakika Al-Mesreyya.
Ejypta: Nampiakarina fitsarana ambony ny sazy fanagadrana bilaogera iray
Nampahafantarina androany ny fampakarana ho any amin'ny ambaratonga ambony ny sazin'ilay bilaogera Ejiptiana Ahmad Saad Abou Doma. Nangataka ny hanafoana sazy an-tranomaizina herintaona sy nangataka fitsarana vaovao ho an'i Doma ny ivon-toerana Hisham Mubarak
Shina: Ady amin'ny fihazonam-baovao
Nisy sary niparitaka tamin'ny twitter milaza ny fomba fiadian'ny olom-pirenena ao Shina ny fanakanam-baovao sy fanodikodinam-baovaoo ataon'ny andrim-panjakana tao anatin'ny andro vitsy lasa. Eto ambany ny dikanteny momba ny sary.
Tafatafa miaraka amin'i Jacob Appelbaum avy ao amin'ny Tor
Jacob Appelbaum dia mpanolo-tsaina momba ny fiarovana solosaina sady developera sy mpisolovavan'ny Tetikasa Tor, fitaovana sy tambajotra manokana miaro ny fiainana manokana sy ny fiarovana ny mpiserasera aterineto. Tamin'ny Atrikasan'ny bilaogera Arabo, nanao fampahafantarana momba ny fialàna amin'ny fibahanana, ny fiarovana antserasera ary ny tsy fitononana anarana izy
Ejipta: Mangataka vaovao momba ireo mpitsidika tranonkala ara-politika any amin'ny cybercafe ny polisy
Rehefa avy nanagadra bilaogera maherin'ny 100 tamin'ny taona 2008 fotsiny, mampiasa teknika hifehezana ny fahalalahan'ny aterineto ankehitriny i Ejypta, satria mangataka amin'ireo cybercafé ny polisy mba hitsikilo ireo mpanjifany.
Bilaogera roa mbola any am-ponja na dia efa tokony avotsotra aza
Tsara ny manamarika fa gadraina ao amin'ny fonja iray ihany ao Alexandira i Abu Fagr sy Amer, fonja anjakan'ny fanitsakitsahan-dalàna marobe momba ny fanivaivana sy fampijaliana.
Ejipta: Atahorana ho ampijaliana ilay bilaogera Ahmed Abou Doma nogadraina
Nisy ny tatitra nalefa tany amin'ny Mpampanoa lalàna Ejypsiana milaza fa niharan'ny herisetra ilay bilaogera notazonin'ny polisy, Ahmed Abou Doma.