Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Novambra, 2018
Akon'ny tontolon'ny bilaogy Toniziana – 2006
Natao tamin'ny alatsinainy lasa teo tao amin'ny toeram-pisotroana kafe/toeram-pisakafoanana Latina ny fihaonan'ny bilaogera Toniziana faha-11. Tsara ny fandraisana anjara tamin'ity fihaonana ity izay nahitana olona 18. Ny fihaonana manaraka dia tokony hatao any amin'iny tangoron-tendrombohitra Zaghouan.
Malezia: Naato tao amin'ny parlemanta i Anwar Ibrahim
Andro vitsy lasa izay, napetraka tao amin'ny Parlemanta Maleziana ny hetsika hampiato ny mpitarika ny mpanohitra Anwar Ibrahim mandritra ny enim-bolana noho ny nampifandraisany ny foto-kevitra Malezia iray an'ny praiminisitra Najib Razak tamin'ny "Israely Iray".
Sahara Andrefana: Mpianatra notànana
Mpianatra notànana ary navotsotra taorian'ny adiny folo
Mangina avokoa ny ao amin'ny mandatehezana Shinoa
Mbola nisarika adihevitra mafana hatrany ny lohahevitra momba ny aterineto sy ny fanivanana gazety ao Shina taorian'ny fandrenesan'ny kongresy Amerikana momba ity olana ity tamin'ny herinandro lasa.
Ity herinandro ity tao Israely: androm-pifidianana androany – marsa 2006
Nandeha tany amin'ny biraom-pifidianana ny Israeliana androany mba hifidy governemanta vaovao. Nitabataba ny fampahalalam-baovao nanomboka tamin'ny 10 maraina fa ambany dia ambany ny tahan'ny fandraisana anjara, na dia tsy mikatona raha tsy tamin'ny 10 alina aza ny birao fandatsaha-bato.
Bilaogy Libyana: Ny herinandro faran'ny taona 2006
Ny lohahevitra fototra nanjaka tamin'ny bilaogy Libyana nandritra ity herinandro farany ity dia ny taona vaovao, ny Krismasy sy ny Eid, ary i Khadijater manoratra momba ny fankalazana ny Eid Al Adha sy ny fampiasana sary ho fanazavana.
Mibilaogy momba an'i India: akoranafo bio, manga, akondro, “chick-lit” sy Bollywood
Manana endriny samihafa amin'ny fanoratana momba an'i India amin'ity herinandro ity izahay. Anisan'ireo lohahevitra noresahana ny: bio-carburants, chick-lit (tantaram-pitiavana), manga, akondro, Madras ary Bollywood.
Ny malaza ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Saodiana (mandritra ny Eid,…)
Fotoana hialana voly ny Eid, fotoana iray amin'ny taona izay mifandray amin'ny hasambarana sy fifaliana ny olona. Na dia izany aza, ho an'ny bilaogera Saodiana sasany, somary tsy mitovy izany Eid izany.
Avy amin'ny tontolon'ny bilaogy Jordaniana – okt 2005
Maneho hevitra momba ny loza maneran-tany ankehitriny ny tontolon'ny blaogy Jordaniana.
Avy amin'ny tontolon'ny bilaogy Jordaniana -Ankivy amin'ny vokatra Isiraeliana (sept 2005)
Noho ny fialan'ny Israeliana, maro ireo zavatra voalaza ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Jordaniana mikasika an'i Palestina, izay samy mikasika ny fialàna sy zavatra hafa. Biesan manoritsoritra ny fanesorana ho "andro manan-tantara ho an'ny vahoaka Palestiniana ary indrindra indrindra ho an'i Gaza".