Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

admin · Aogositra, 2018

imailaka admin

Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Aogositra, 2018

Manerana an'i Afrika Andrefana amin'ity herinandro ity (jolay 2006)

Atombokontsika amin'ny Under the Acacias izay mibilaogy ny: Osama bin Laden ao Burkina Faso ny fitsidihana bilaogy amin'ity herinandro ity.

Nomad Green: Miatrika ny fandrahonan'ny fiitaran'ny tany hay ny olon-tsotra tia manao gazety

Amin'ny lahatsoratra androany isika hijery ny sasany amin'ireo tatitra avy amin'ireo mpiaro an-tserasera ny tontolo iainana ao Mongolia, izay nahazo fiofanana momba ny median'olon-tsotra avy amin'ny Nomad Green, nahazo vatsy tamin'ny Rising Voices.

Ny fanabeazana sy ny foto-kevitra venezoelana

Mieritreritra izany firenena izany aho ary mahatsapa tahotra. Rehefa mandeha eny an-dàlambe maloto sy feno korontana ao Caracas aho, dia mijery ny manodidina ary tohina indray amin'ny endrik'i Chávez mijery ahy avy eny rehetra eny.

Kambodza: Mbola misalasala momba ny raharaham-pitsarana Khmer Rouge ireo bilaogera taorian'ny fifanarahana

Taorian'ny fanemorana hatrany tao amin'ny Efitrano Tsy Mahazatra tao amin'ny Fitsarana Kambodza (ECCC's), tonga tamin'ny fifanarahana ihany ny Firenena Mikambana sy ny Fikambanan'ny Mpisolovava Kambodziana (FMK) tamin'ny herinandro lasa teo mikasika ny fahafahan'ny FMK hisahana ireo mpampanoa lalàna ara-pitsarana mpilatsaka an-tsitrapo.

[Karajia mivantana] Dingana manaraka ho an'ny tari-dalana fibilaogina miabo, 2 Desambra

Miaraha aminay azafady amin'ny 2 Desambra 2010 mba hanao karajia momba ny "tetikasa sy tari-dalana antserasera momba ny fibilaogina tsara. Hanomboka amin'ny 11 atoandro ny karajia, ary raisinay am-pifaliana avokoa izay mpandray anjara vaovao, ary koa ireo namana izay efa nandray anjara tamin'ny resadresaka manerantany.

Nikaragoà: Miverina ao amin'ny Plaza de la Revolución indray.

Manana toerana ahitana foibe ara-tantara sy marika ny tanàna tsirairay. Ao Managua, Nikaragoà, Plaza de la Republica, fantatra amin'ny hoe Plaza de la Revolución no toerana toy izany. Maro ireo tranga ara-tantara nitranga tao amin'io kianja io, toy ny hetsika mpomba an'i Somoza, ny fandresen'ny revolisiona tamin'ny taona 1979, sns.

Afomanga: Ahoana ny fankalazan'i Japana ny fahavaratra miaraka amin'ny ‘hanabi’

Malaza amin'ny afomangan'izy ireo, fantatra amin'ny hoe 'hanabi' (花火) amin'ny teny Japoney ny volana fahavaratra Jolay sy Aogositra ao Japan. Ireto sary vitsivitsy.

Talen'ny Fiarovana ao amin'ny GV manatrika ny AI-Observer-Irrepressible. Vaovao tamin'ny fihaonana 6 Jiona

Tamin'ny 6 Jiona 2007, nanatrika ny hetsika tao Londra manamarika ny herintaonan' ny faentanana Amnesty International-Observer-Irrepressible.info ny talen'ny Advovacy ato amin'ny Global Voices, Sami Ben Gharbia.

Sakafo an-dalambe ao Vietnam

Ahitana fanambarana kely mampikorontan-tsaina ireo mpankafy sakafo Vietnamiana an-dalambe ao anivontany Vietnamiana ao Hoi An ny lahatsoratra bilaogy iray tsy tokony heverina ho tsotra momba ny vary akoho (com ga).

Ejypta: Fitokonana hafa sy fihetsiketsehana marobe

Nanatevin-daharana ny vahoaka ireo dokotera sy ny sampan'ny oniversite Ejypsiana ary nanapa-kevitra hanohitra ny karama ambany raisin'izy ireo.