Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Mey, 2011
Arabia Saodita: vehivavy iray nosamborina satria nitondra fiara
Herinandro lasa izay, renim-pianakaviana saodiana iray nitondra ny fiarany nandeha nanatitra ny zanany tany an-tsekoly any Jeddah. Tamin'ny 22 may 2011, vehivavy Saodiana iray hafa, Manal Al-Sharif, nitondra fiara koa niaraka tamin'ny vehivavy mpitolona ho an'ny zon'ny vehivavy saodiana, Wajeeha Al-Huwaider, teo akaikiny, ny anadahiny sy ny zanany lahy tokana. Ny...
Iran: “Eny rehetra eny izahay” fanentanana hanoherana ny tsy fankasitrahana pelaka
Arsham Parsi no mpanorina ny Fikambanan'ny Pelaka Iraniana manana ny foibeny any Toronto, Canada. Tamin'ny 2008, niteny tao amin'ny Global Voices izy fa “fanomezana tsara ho azy ireo ny aterineto.” Tamin'ity taona ity, tamin'ny 17 may, Andro Iraisam-pirenena hitsipahana ny tsy fankasitrahana pelaka,Iraniana maro no nampiasa ity “fanomezana” ity hanandratana indray ny...
Panama: Fahatsiarovana an'i Raúl Leis
Tamin'ny 30 aprily, nodimandry tampoka ilay sôsiology sady mpanoratra Raul Leis. Taorian'ny nahafatesany, nivoaka tamin'ny gazety sy tany amin'ny bilaogy ny asa sorany sy ny momba azy, izay nanasongadina ny zava-bitany, ny nataony sy ny fandraisany anjara tamin'ny fiaraha-monina Panameana. Tao koa ny teny mampihetsim-po nanaovam-beloma azy sy ny fampahafantarana...
Gresy: fanafihana misesisesy atao amin'ireo mpifindra monina ao Athène
Tao ho ato izay dia niha-nahazo laka ny tahaka-ny-fandringanana ireo mpifindra monina tany afovoan-tanànan'i Athènes nataon'ireo antoko mahery fihetsika ao Athènes . Tamin'ny 10 May no nanomboka nisian'izao toe-draharaha izao raha iny ka nitondra ny vadiny bevohoka ny lehilahy iray 44 taona ka nisy namono ary notsatohan'ny olona tamin'ny antsy...
Kazakhstan: Terantany avy any Kazakhstan nivoaka tamin'ny vaovao maneran-tany – nosamborina ny anankiray, ny iray hafa nisy namono
Terantany avy any Kazakhstan anankiroa no nivoaka tamin'ny vaovao iraisam-pirenena tamin'ny herinandro lasa teo, nampalahelo avokoa ny nanjo azy roalahy. Ny voalohany, Valeriy Tolmachev, mpanolon-tsaina ao amin'ny UNESCO any Kazakhstan, nanafika mpanamory fiaramanidina iray tamin'ny antsy nandritra ny dia Paris-Rome ary nandidy ity farany hamily ny dia ho any Lybie. Voafehin'ny...
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...