Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Septambra, 2018
Mikatso ny fizotry ny fandriampahalemana ao Kolombia ary mitombo ny famonoana ireo mpikatroka ara-tsosialy
Rahoviana vao hifarana izao ary ho firy indray no ho faty?
Sri Lanka: Nahazo ny vaton'ny faritra atsinanana ny governemanta
Natao ny Sabotsy lasa teo (10 may) ny fifidianana filan-kevitry ny Faritra Tatsinanana, ka nahazo vato 20 tamin'ireo seza 37 ny governemanta. Nahazo seza 15 ny Antoko Nasionaly Miray ary nahazo seza 1 avy ny JVP sy ny TDNA.
HiperBarrio: Campus Party Kolombia sy sary avy amin'ny lavaka paingotra
Tonga voalohany tao Kolombia tamin'ny taona 2008 ny Campus Party, iray amin'ireo fihaonambe ara-teknolojika lehibe indrindra miteny Espaniôla manerantany. Naverina indray tamim-pahombiazana lehibe izy ary tena navitrika nandray anjara tamim-pihetseham-po tamin'izany lanonana izany (2008, 2009) ny vondrom-piarahamonina Hiperbarrio ao Kolombia, izay nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices.
Mifarana ny krizin-dranomasina UK-Iran, navotsotr'i Iran ihany ireo tantsambo Britanika
Nandidy ny famotsorana ireo tantsambo Britanika 15 notànana an-tranomaizina ny filoha Mahmoud Ahmadinejad tamin'ny Alarobia, fihetsika natao "hampisehoana ny fitiavana Silamo eo amin'ny vahoaka Iraniana."
Fantaro ilay bilaogera Yesenia Corrales
Nandritra ny telo taona, nifantoka tamin'ny fanazavana ireo faritra mpifanolo-bodirindrina samihafa manodidina ny tanàna, toa an'i La Loma, ary koa faritra hafa ao Kolombia ny tetikasa HiperBarrio ao Medellin. Na izany aza, asa mafy nataon'ireo mpandrindra ny tetikasa izany, indrindra fa ireo bilaogera vaovao, izay nanampytamin'ny tetikasa.
Ceasefire Liberia: Hevitra momba ny andron'ny fahaleovantenan'i Liberia faha-163
Nankalaza ny tsingerintaonan'ny fahaleovantenany faha-163 tamin'ny volana lasa (26 Jolay 2010) i Liberia, repoblika zokiny indrindra ao Afrika, ary mahavaky fo ny mahita fa taorian'ireny taona rehetra ireny, dia mbola firenena iray an-dalam-pandrosoana miaraka amin'ny olany rehetra i Liberia.
Fampahafantarana ny tetikasa firesahana momba ny fady
Mitohy ny fanomanana ho an'ny atrikasa voalohany ao amin'ny tetikasa "Miresaka ny Fady" nokarakarain'ny ekipa avy ao amin'ny vondrona ao Kairo Nazra for Feminist Studies, iray amin'ireo tetikasa telo eto Ejipta izay tohanan'ny Rising Voices amin'izao fotoana izao.
Mpanoratra Asongadina: Mac-Jordan Holdbrookes-Degadjor
Avy any an-tranony ao Accra, Ghana, miresaka momba ny fibilaogiany sy ny hetsika siokany ary ny fiarahamiasa maro ataony miaraka amin'ny vondrom-piarahamonina antserasera ilay mpanoratra ato amin'ny Global Voices, Mac-Jordan Holdbrookes-Degadjor.
Ady amin'ny tsi-fisaziana, nanapa-kevitra hanohana ny fiverenan'ilay mpikamban'ny vaomiera miady amin'ny kolikoly ny fitsarana ambony ao Goatemala
Tokony hitodika any Goatemala ny mason'izao tontolo izao satria mandalo fotoana manan-danja amin'ny tantarany ny firenena; ary mety hisy lanjany amin'ny tantaran'ny ila-bolan-tany manontolo mandalo dingana mitovy amin'izany ny vokany.
Bahamas: Eritreritra momba ny fifidianana
Bahamas: Eritreritra momba ny fifidianana