Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Avrily, 2019
Bahrain: Omar Al Bashir sy ny fitsarana mitanila
Maneho hevitra amin'ny vaovao momba ny didy fisamborana ny filoha Sodaney Oma, navoakan'ny Fitsarana Heloka bavava Iraisam-pirenena (ICC amin'ny teny Anglisy).
Ejypta: Polisy namono tovolahy, 12 taona
Zeinobia, avy any Ejypta, nitatitra fa maty novonoin'ny polisy ilay tovolahy 12 taona voasambotra noho ny fangalarana tany anaty magazay.
Palestina: Mitàna ny fahatsapana maha-olombelona ao Gaza
Satria miharatsy isan'andro isan'andro ny toe-draharaha ao Gaza, maro no miady tsy amin'ny fahasarotan'ny fiainana andavanandro ihany, fa amin'ny fiovan'ny soatoavina hita manodidina azy ireo koa, ao anatin'ny fiarahamonina izay lasa nanjakan'ny fisainana Islamista. Ao anatin'ity lahatsoratra ity, manoratra tabatabam-pahakiviana ny bilaogera iray ao Gaza .
Afovoany Atsinanana: Malahelo noho ny fanafihana tany Mumbai
Ao anatin'ny alahelo sy ny fahatairana tamin'ny fanafihana an'i Mumbai, mametraka fanontaniana marobe ny bilaogera manerana ny tontolon'ny Arabo.
Libanona: Fitsidihan'i Norman Finkelstein
Miarahaba an'i Norman Finkelstein, izay nitsidika an'i Libanona vao haingana ilay bilaogera Libaney Ali Hammoud.
Palestina: Mankalaza ny famerenam-pihavanan'ny Hamas/Fatah i Gaza
Namarana ny fifandrafesan'izy ireo goavana ireo antoko mpifandrafy Palestiniana Fatah sy Hamas androany, nandritra ny fifanarahana fampihavanam-pirenena natao tany Kairo, Ejipta.
Gresy: Latsabatom-pitokisana sy Referandaoma ho avy
Ny takarivan'ny 31 Ôktôbra 2011, tamin'ny fanapahan-kevitra goavana ara-politika [el], nitaky latsa-bato-pitokisana avy hatrany tao amin'ny parlemanta ny Praiminisitra Grika George Papandreou ary koa fitsapankevi-bahoaka ho an'ny eny sa tsia amin'ny fampindramam-bola fara-fanavotana avy amin'ny Vondrona Eorpeana,
Fampiharana Walkie-Talkie, Zello voasakana ao Venezoela
Androany alakamisy maraina, nanomboka nitatitra ny Venezoeliana mponin'ny aterineto fa tsy nandeha intsony tamin'ny finday ny Zello, ilay tsindrio raha hiresaka "walkie-talkie". Venezoeliana maro no nampiasa ity fampiharana ity mba handaminana sy hifanakalozana vaovao momba ireo hetsi-panoherana nihamitombo haingana nandritra ny valo ambin'ny folo andro farany teo.
Rosia: Tantara tsangana “handrafetana indray” ny fahafatesan'ilay mpisolovava Magnitsky
Mitohy ny adihevitra momba ny fepetram-pamonjana, nateraky ny fahafatesan'i Magnitsky - ary azo inoana fa hiditra amin'ny dingana vaovao izany: eo am-pamolavolana ny tantara izay "handrafetana indray" ny horohoron'ny ora farany niainan'i Magnitsky i Mikhail Ugarov (mpisera LJ m_u), mpilalao sarimihetsika mahatsikaiky sady tale ara-java-kanto ao amin'ny Teatr.doc (RUS), teathra ao Moskoa.
Afrika Atsimo: Tsara fanombohana ny Bafana?
Nanoratra momba ny ekipam-pirenena Afrikana Tatsimo ao amin'ny Fiadiana ny Tompondakan'i Afrika ny South Africa Rocks hoe: "Tsy fanombohana ratsy ao amin'ny Group Of Death (GOD - hafahafa). Mipetraka amin'ny toerana tokana ankehitriny ny ekipa rehetra ao amin'ny vondrona ary farafaharatsiny tsy vodilaharana ao amin'ny vondrona."