Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Febroary, 2015
Miantso ny Filoham-pireneny hoe “Masoandro” ny Mpiasam-panjakana Tajik
Anatinà repoblika izay matetika dia tsy ampy herinaratra mandritra ireo volana mamanala, i Emomaly Rahmon no 'masoandro nanova ny hatsiakan'ny ririnina ao amin'ny firenena ho maintso ahitry ny lohataona'.
Mandrahona Ny Hanakatona Ny Vohikala Fampitam-baovao Tsy Miankina Zambiana Ny Minisitra Vaovao
Efa imbetsaka no nahitsoka ilay vohikala, tao Zambia, ary nisy ireo mpitatitra vaovao nosamborina noho ny fiahiahiana azy ireo ho miara-miasa amin'ilay vohikala.
Lahatsary Goofy ‘Mandeha Miantsena Isan'andro’, Manao Fanehoankevitra Henjana Momba Ny Fiainana Sôsialy Ao Hong Kong
Mandika ny fihetsehampon'ireo vahoakan'i Hong Kong manoloana ny fampiasan-kery diso tafahoatra ataon'ny mpitandro filaminana, mino ny ekipa mpamokatra "Mocking Jer" fa afaka hanampy ireo olona hahatakatra ny zavatra mitranga ao Hong Kong ny hatsikana.
Eritreretin'ny Masedoniana Ny Hampiasa Ny Lalànan'ny Fahalalahana Mahazo Hanoherana Ny Lalàna Vaovao Momba Ny Mpiasa Mahaleotena
Tsy naharay karama ireo mpiasa amin'ny ampaham-potoana sy tsy miankina ny volana Janoary, noho ireo fehezan-dalàna vaovao mikasika ny haba sy ny vola aloa. Te-hampiseho ny tsy fahaiza-miasan'ny mpitàndraharahan'ny governemanta ireo mpanao fihetsiketsehana.
Fijerin'i Karaiba : Ny Fahalalaham-Pitenin'i Charlie Hebdo Manoloana ny Tsy Fahazakana Adihevitra
Bilaogera Karaibeana Roa Miresaka Fondamentalisma ara-pivavahana ao anatin'ny toe-draharaha fanafihana ny Charlie Hebdo sy ny eritreritra raha fanararaotra izao hiovana fitantaram-potokevitra.
Niresaka Ireo Olana ny Filoham-pirenena Tajika? Nitehaka ny Antenimiera?
Ny Parlemantan'i Tajikistan amin'izao fotoana izao dia ny mitehaka ny filoha sy ny manamafy ny fanapaha-keviny no mba hainy. Aza manantena ny hahita fiovana rehefa tonga ny iray vaovao amin'ny volana marsa.
Nikatso ny Aterineto Tao RDC Nandritra ny Fihetsiketseha-Panoherana an'i Kabila, 36 no Maty
Nahery vaika ny fifandonana teo amin'ny polisy sy ny mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fanitsiana ny lalam-pifidianana nataon'i Kabila izay niafara tamin'ny fahafatesan'olona 36 tao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kongo tao anatin'izay andro vitsivitsy izay.
Nodimandry teo amin'ny Faha-90 Taonany ny Mpanjaka Saodiana Abdula, ary Dimbiasin'i Salman 70 Taona
Taorian'ny honohono naharitra herinandro maromaro, dia nanambara ny fahafatesan'ny Mpanjaka Abdulla bin Abdulaziz, 90 taona, i Arabia Saodita androany [23 Janoary 2015]. Ankehitriny izy dia dimbiasin'ny rahalahiny Salman, 79 taona.