admin · Jolay, 2011

Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Jolay, 2011

Tonizia : herisetran'ny mpitandro ny filaminana hanaparitahana ny mpanao fihetsiketsehana

Anankiray amin'ireo lahatsoratra manokana mikasika ny Fanoherana tany Tonizia 2011 ity lahatsoratra ity. Naparitaky ny polisy tamin'ny alalan'ny herisetra ireo mpanao fihetsiketsehana toe anoloan'ny lapam-panjakana tamin'ny 15 jolay lasa teo. Nitaky fanavaozana ireto mpanao fihetsiketsehana ireto ary nikasa hanao sit-in fahatelo tao Kasbah, ivon'ny fanaovana fihetsiketsehana rehetra ao Tunis renivohitra. Anisan'ny...

Okraina: ny tantara ratsin'i Yula Tymoshenko

Nanomboka tamin'ny faran'ny volana jona teo tany Kiev renivohitra ny fitsarana ny praiminisitra taloha tany Okraina, Yula Tymoshenko, izay mpitarika ny hetsika vonimboasary,  noho ny fanararaotam-pahefana. Araka ny nambaran'ny mpanao famotorana, nanampatra ny fahefany i Tymoshenko tamin'ny nanaovany sonia ny fifanarahana amin'ny mpamatsy gazy tany Rosia, ka ny vidiny nifanarahany tamin'ny praiminisitra...

Sina: Tsy hatahorana ve ny “pastèque mipoaka”?

  12 Jolay 2011

Volana vitsy lasa izay dia nilaza ny olana iainan'ireo mpamboly ao amin'ny faritanin'ny Jiangsu ny media sinoa, olana izay nilazan'izy ireo fa mipoaka ny pastèque amboleny vokatry ny fampiasana zezika sy akora simika tsy an-kiato. Tamin'ny 5 jolay 2011, nanamarina ny minisiteran'ny fambolena fa ny akora ampiasaina hampitomboana haingana ny pastèque...