Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Marsa, 2019
Kamerà eny rehetra eny: Fanamby sy fahafahana ankehitriny eo amin'ny kihon-dalan'ny zon'olombelona, lahatsary sy ny teknolojia

Mampahatsiahy antsika ny revolisionan'ny "Lohataona Arabo" sy ny tolona mitohy ho an'ny fiovàna any Libia, Syria ary ny faritra hafa eto amin'izao tontolo izao fa manana anjara andraikitra lehibe amin'ny hetsika fiovàna ara-tsosialy sy ara-politika amin'izao androntsika izao ny finday, ny lahatsary ary ny aterineto.
Mamindra ny lisitry ny sivana avy any tanibe Shinoa mankany Hong Kong?

Nahita ny gazety iray eo an-toerana, AM730 [zh] fa manivana ireo tranonkala maromaro mety hanohina ara-politika ny tolotra wifi maimaim-poana an'ny governemantan'i Hong Kong. Na dia efa nisokatra indray aza ny ankamaroan'ireo tranonkala rehefa naharay ny fitarainan'ireo mpampiasa aterineto, dia mbola miahiahy kosa ireo mpiserasera sy vondrona mpiaro ny zon'olombelona.
Holandy: Firenena voalohany ao Eoropa ahitana tsy fitongilanana antserasera

Andro iray hankalazaina any Holandy ny 8 May 2012 noho izy lasa firenena voalohany ao Eoropa miaro ny olom-pireneny amin'ny alalan'ny fametrahana ny tsy fiandaniana amin'ny aterineto ao anaty lalàna.
Koety: Mpiserasera telo nogadraina

Tsy manana tantara momba ny fisamborana olom-pirenena noho ny fanehoany ny heviny antserasera i Koety efa-taona lasa izay, saingy tamin'ity taona ity, dia olona telo no nosamborina tao anatin'ny telo volana monja..
Polisy “manam-pahaizana” momba ny lèse majesté ao amin'ny raharaha itsarana ny Prachatai

Vahoaka mpanohana maro be no nanatrika ny fitsarana momba ny "lése majesté" an'i Chiranuch Premchaiporn, webmaster ao amin'ny tranokalam-baovao antserasera tsy miankina ao Thailand, Prachatai, izay ao anatin'ny andro fahafito ao amin'ny Fitsarana Heloka Bevava ao Bangkok. Nisy mpitsara faharoa nanampy an'i Kampala Rungrat hajaina, mpitsara zokiolona omaly.
Ako avy ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Toniziana
Hotontosaina amin'ny Alahady 25 Desambra ao amin'ny Café 112 afovoan-tanànan'i Tunis, any amin'ny faran'ny lalana Palestine ny fihaonan'ny bilaogera Toniziana faha-9. Hambara amin'io fihaonana io ny valin'ny Loka ho an'ny Bilaogy Toniziana.
Iran: Bilaogera voadaroka tany am-ponja

Nilaza [fa] ireo mpikatroka ny zon'olombelona fa nodarohan'ny mpiambina tany am-ponja i Hossein Maleki Ronaghi, bilaogera nogadraina, rehefa avy nanoratra taratasy tany amin'ny manampahefan'ny fitsarana ao Iran ka nentina tany amin'ny hopitaly. Voasazy higadra 15 taona an-tranomaizina ity bilaogera ity.
Iran: Bilaogera voasazy higadra 17 volana

Voasazy higadra 17 volana an-tranomaizina i Peyman Roshan Zamir, bilaogera sady mpikatroka ara-politika avy ao an-tanàna atsimon'i Ahwaz. Voampanga ho nanevateva ny mpitarika ny repoblika Islamika sy nanao fampielezan-kevitra manohitra ny fitondrana izy.
Iran: Atahorana ny ain'ilay bilaogera

Nilaza ny rain'i Hossein Rongahi fa atahorana ny ain'ny zanany lahy. Bilaogera nogadraina mila fitsaboana ara-pahasalamana maika i Hossein. Voasazy higadra 15 taona an-tranomaizina izy.
Iran: Nosamborina i Mehdi Khazali, bilaogera sady mpamoaka lahatsoratra

Nosamborina i Mehdi Khazali, mpamoaka lahatsoratra sady bilaogera. Zanakalhin'ilay mpitondra fivavahana elatra havanana sady mpikambana teo aloha tao amin'ny Filan-kevitry ny Mpiambina, Ayatollah Khazali izy.