Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Septambra, 2015
Manome Aina Vao ny Hira Malefaka Any Zeorzia Sovietika Teo Aloha Ao Amin'ny Ranomasina Mainty
'Satria izahay manao karazana Slim Harpo, tafiditra am-paosy mora ireo bahan-kira mihetsika, mialoha ny hanaovan'i Tamaz, ny mpitendry gitaranay, ny filalaovana samireriny.'
Governemanta Tohanan'ny Miaramila Thailande Hijanona Eo Amin'ny Fahefana Taorian'ny Nandàvana Ny Drafitra Sata
"Hametraka zotra mandeha ho azy izay hampaharitra sy hanohana ny fahefan'ireo antoko tsy demôkratika manoloana ireo demôkratika io volavolan-dalàmpanorenana io."
‘Antso Ho Amin'ny Fitiavana Sy Fangorahana’: Tian'ny Ben'ny Tanànan'i Barselona Raha Mba Mandray Mpitsoa-ponenana Ireo Tanàndehibe Ao Espaina
Taorian'ny nampalaza be tao amin'ny Aterineto ny fanehoankevitra iray nataon'ilay ben'ny tanànan'i Barselona, Ada Colau tao amin'ny Facebook, lasa drafitry ny tany tontolo ny hamorona tambajotranà tanàna fialokalofana ao anatin'ny kirizin'ny mpitsoa-ponenana ao Eorôpa
Ny Central Television Ao Shina, Tantànan'ny Fanjakana, Voatsikera Noho Ny Fakàna Tàhaka Ny Asan'ny Mpaka Sary Iray
Raha niampanga ny Central Television ao Shina ho naka ireo asa sariny, sarin'i Tibet, ny mpaka sary iray miasa ho an'ny tenany, nisafidy ny tsy hiraharaha ny fitakiany ny fizakàmanany ny fandaharana tantànan'ny fanjakana ary nampitahotra azy tamin'ny fandrahonana mihitsy.
Mankalaza Ny Asa Mozika Sy Hatsikana An'ilay Mpikambana Tao Amin'ny ‘Les Luthiers’ Maty, Daniel Rabinovich
Taorian'ny fahafatesan'i David Rabinovich, mpikambana mpanorina ny "Les Luthiers", nizara fahatsiarovana tsara an'ilay mpanao hatsikana ireo mpampiasa media sosialy ary nisaotra azy noho ireo taona maro nanaovana mozika sy tsikitsiky.
Ireo Hetsika ‘Maimbo Ianareo’ any Libanona
[...]tsy nety tonga mihitsy izany vahaolana izany, satria ireo mpanao politika -- nozarazarain'ireo tsy fifankahazoana teo an-toerana sy tamin'ny faritra -- tsy nahavita nifanaraka [...] Efa tonga ny fotoana, kanefa mbola tsy nahita vahaolana ireo manampahefana. Noho izany, nandray an-tànana ny raharaha ireo mponina
Zokiolona Thailandey Mpanao Gazety, Notànana Taorian'ny “Fanitsiana Toetsaina”

"Tsy ho voatazona ny fahalalahana raha tsy vonona ny hiaro azy io isika," hoy i Pravit tamin'ny bitsika nalefany ny andron'ny nitazonana azy.
Nahazo Tampoka An'i Japana Tsy Nanampo Na Inona Na Inona Ilay Tondradrano Goavana Tany Akaikin'i Tokyo
Nahavariana ny halehiben'ilay tondradrano, ary nampahatsiahy ilay fahasimbana naterak'ilay "tsunami" (onjan-dranomasina goavana be) izay nikapoka ny avaratra atsinanan'i Japana ny volana Martsa 2011.
Nahoana No Heverin'ny Sasany Ho Hevitra Ahitàna Olana Ny ‘Marika Jamaika’
"Lasa resaka fiatsaram-belatsihy ilay izy, hoe na teo aza ilay tantara nisy fanandevozana sy fanompoana tsy misy fanajana ny maha olona...mbola tia hanitatra izany resaka fametrahana marika izany ihany i Jamaika amin'izao taonjato faha-21 izao."
Siriana Mpitsoa-ponenana Maniry Fanangonam-bola Ho An'ny Toeram-pisakafoanany Ao Brezila
Manao izay hanatanterahana ny nofinofiny vaovao Breziliana ilay Syriana mpitsoam-ponenana Talal Al-Tinawi, amin'ny fanangonana famatsiam-bola mba hanokafana toeram-pisakafoana Syriana-Libane, mba hizaràna ny fitiavany mahandro amin'ireo eo an-toerana.