admin · Oktobra, 2017

Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Oktobra, 2017

Bilaogin'ny Skoto Shiliana

Nisy tao Shily nandritra ny 96 taona ny hetsika Skoto. Manana mpitarika mampiroborobo sy mizara ny soatoavina ara-tsosialin'ny fikambanana ity vondrom-piarahamonina amin'ny tambajotra ity. Amin'izao fotoana izao, tanora maherin'ny 70.000 no mandray anjara ary olon-dehibe 11000 no milatsaka an-tsitrapo ao amin'ny fivondronana skoto 850 manerana an'i Shily.

30 Oktobra 2017

Tsy Manambola Hianarana Ao Shily

Tamin'ity herinandro ity, noho ny fahadisoan'ny fandaminana ny angon-tahiry, nomena ho an'ireo mpanankarena nisoratra anarana ny fampindramam-bola avy amin'ny governemanta ary koa ny fanampiana ara-bola ho an'ny fianaran'ireo mpianatra kely fidiram-bola.

30 Oktobra 2017

Bilaogy Vaovao Ifarimbonana, Feo Shiliana Vaovao

Teraka tamin'ny herinandro lasa teo tany an-tanànan'i Arica ny bilaogy vaovao ifarimbonana voalohany ao Shily, “El Morrocotudo”. Efa nahasarika fisoratana anarana 200 avy amin'ny faritra rehetra any Shily ny bilaogy natsangana vao haingana.

29 Oktobra 2017

Mibilaogy Ny Hezbollah Iraniana

Marolafy tanteraka ny tontolon'ny bilaogy Iraniana izay ahitana bilaogy mavitrika an'arivony. Ao anatin'ireo bilaogy ireo, afaka mahita bilaogy pro-demokratika sy liberaly ary koa ny pro-Repoblika Islamika isika. Ny ankamaroan'ireo bilaogy pro-Repoblika Islamika dia miantso ny tenany ho bilaogy Hezbollah.

27 Oktobra 2017