admin · Janoary, 2019

Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Janoary, 2019

Ny Governemanta Ejipsiana sy ny fanagadrana mpikatroka aterineto

GV Mpisolovava  20 Janoary 2019

Antony maro sy tranga maro no nanampy tamin'ny firongatry ny haino aman-jery elektronika tany Ejipta. Ohatra, fanakorontanana ireo fampahalalam-baovao isan-karazany, toy ny gazety, fahitalavitra sy onjam-peo, ireo dingana sarotra amin'ny fananganana orinasa fampitam-baovao, fanivànana votoaty amin'ny fampitam-baovao alohan'ny famoahana, ireo karazana endrika famaizana mikendry mpanao gazety, sy ny hakelin'ny fahalalahana ary antony maro hafa.

Nakaton'i Syria ny Wikipedia Arabo

GV Mpisolovava  11 Janoary 2019

Araka ny filazan'ny bilaogy anasonline, nakaton'ireo mpamatsy tolotra aterineto rehetra ao Syria ankehitriny ny fidirana ao amin'ny Wikipedia Arabo, endrika raki-pahalalana Wikipedia amin'ny teny Arabo

Nakaton'i Libya ny fidirana amin'ny Youtube sy ireo tranonkala tsy miankina

GV Mpisolovava  09 Janoary 2019

Ny 24 Janoary 2010, nakaton'ny Fifandraisan-davitra sy ny Teknolojia ao Libya (LTT) ny fidirana amin'ny tranonkala malaza fizarana lahatsary Youtube sy ireo tranonkala tsy miankina sy ara-politika an'ireo Libiana maro mipetraka any ivelany, tahaka ny Libya Al Youm, Al Manara, Jeel Libya, Akhbar Libya, sy Libya Al Mostakbal.