admin · Janoary, 2018

Lahatsoratra farany an'i admin tamin'ny Janoary, 2018

Sary Avy Ao Arzantina: Vaingan-dranomandry Perito Moreno

Tao anatin'ny vaovao iraisam-pirenena vao haingana ny Perito Moreno Glacier ao Arzantina satria voaresaka tamin'ny fiakaran'ny maripàna manerantany. Mahavariana fa iray amin'ireo vaingan-dranomandry  Patagonianina telo izay tsy miala mihitsy manoloana ny fiakaran'ny maripàna ny Perito Moreno

31 Janoary 2018

Taiwan: An'iza Ny Tany?

Efa tamin'ny volana Oktobra 2005 ny tolon'i Smangus noho ny fitsarana tsy ara-drariny momba ny hazoala nazeran'ny rivotra, mifototra amin'ny Smangus & Smangus Action Alliance News.

25 Janoary 2018

Bilaogera Maraokana Mitokona Ho an'i Erraji

Raha nosamborina tamin'ny herinandro lasa ilay bilaogera Maraokana Mohammed Erraji, nitodika avy hatrany tamin'ny raharaha momba an'i Fouad Mourtada ny tontolon'ny bilaogy Maraokana. Tahaka ny nataon'izy ireo tamin'i Mourtada tamin'ny niatrika fampidirana am-ponja, nihetsiketsika ny bilaogera Maraokana mba hanohana an'i Erraji.

24 Janoary 2018

Fahanginana sy ny Rariny Ao Caracas

Mazava ho azy fa ny tantara goavana manerana ny kaontinanta dia ny fahalanian'i Hugo Chávez indray ao Venezoela tamin'ny vato 60%. (Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra taona 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy)

24 Janoary 2018

Vondrona Ara-poko Shiliana: Fandrosoana Mamely Ny Zon'ny Teratany?

Efa ela talohan'ny fibodoana Espaniola no teto ireo vondrona ara-poko teratany Shiliana ,ary nanomboka tamin'izany sy hatramin'izao, miaro ny zon'izy ireo any amin'ny faritra samihafa izy ireo. Ankehitriny, miaro ireo tany nipetrahany nandritra ny taonjato maro manoloana ny fampandrosoana ny firenena izay mety hanohintohina ny fomba fiainany ry zareo.

22 Janoary 2018

Nandefa Fanomezana Taombaovao Ho An'i Kambodza ny Google

Gaga ireo mpisera Google any Kambodza raha nahita fa rehefa mitsidika ny www.google.com izy ireo, dia mitondra azy ireo any amin'ny anaran-tsehatra www.google.com.kh ny tranonkala. Tany am-piandohan'ny volana Desambra, nanangana ny anaran-tsehatra Google Cambodia ny Google.

20 Janoary 2018

Hetsika Ara-politika Vaovao: Chile Primero

Nitsangana ny hetsika ara-politika vaovao, Chile Primero [ES]  noho ny tsy fahafaham-pon'ny olom-pirenena tamin'ireo mpanao politika sasany. Manohana ity hetsika ity izay hotontosaina amin'ny 12 Mey i Fernando Flores [ES], Jorge Schaulsohn sy Esteban Valenzuela [ES].

20 Janoary 2018