Ejypta: Nampiakarina fitsarana ambony ny sazy fanagadrana bilaogera iray

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aprily 2009)

Nampahafantarina androany ny fampakarana ho any amin'ny ambaratonga ambony ny sazin'ilay bilaogera Ejiptiana Ahmad Saad Abou Doma. Nangataka ny hanafoana sazy an-tranomaizina herintaona sy nangataka fitsarana vaovao ho an'i Doma ny ivon-toerana Hisham Mubarak ho an'ny Fanampiana Ara-pitsarana, satria tany amin'ny fitsarana miaramila izy no notsaraina.

Nosamborina tamin'ny 10 febroary i Doma izay mitantana bilaogy iray antsoina hoe Sha’er Ikhwan (Poeta Ikwani), rehefa niverina avy any Gaza tamin'ny alalan'ny fiampitana ny sisintanin'i Rafah. Nampangain'ny manampahefana Ejyptiana ho miditra antsokosoko ny sisintany atsinanana izy.

Niharan'ny herisetra ara-tsaina sy ara-batana ity bilaogera voatazona ao amin'ny paositry ny polisy ao Al-Khalifa ity, raha nafindra tany am-ponja. Nodarohana tamin'ny hazo izy ary tsy afa-nihetsika nandritra ny ora maro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.